Nampidirina am-ponja vonjimaika ao Ambositra tamin’ny alatsinainy faha 30 may 2016 ilay lehilahy antsoina hoe i Manga izay voampangana ho tompon’ny basy « kalack » , izay basin’ny mpitandro ny filaminana ka nampiasan’ny dahalo tany Ambalamahatsara ao amin’ny kaominin’i Fenoarivo ao amin’ny distrikan’Ambatofinandrahana. Tamin’ny alakamisy faha 19 may 2016 dia efa namoaka lahatsoratra mikasika ity basy ity izahay tato amin’ny « la gazette de la grande Ile » tao amin’ny pejy faha 12 mitondra ny lohanteny hoe « Ny dahalo nahitana ny basy kalaky indray no navotsotrin’ny zandary ». Raha tsiahivina kely ny tantara dia notazonin’ny zandary tao Ambatofinandrahana ity lehilahy antsoina hoe i Manga ity ny faha 21 aprily 2016. Ny alahady 01 may 2016 dia tonga tao amin’ny zandary ny lehilahy iray mitondra basy kalach antsoina hoe Ranaina sy zaodahiny izay nanatitra ilay basy tao amin’ny toby ity. Milaza ireo olona ireo fa basin’ity Manga ity hono ity entin’izy ireo. Notazonina noho izany ity Ranaina ity nefa dia navotsotra tao amin’ny zandary fa ity Manga ity ihany no nolazaina fa tompon’ny basy. Milaza koa ny lehiben’ny dina “Tanimandry “ ao Ambalamahatsara fa ity Manga ity koa no tompon’ilay basy. Ny nahagaga amin’ity raharaha ity dia ny tsy nitondrana tany amin’ny fitsarana halaina am-bavany tao amin’ny fampanoavana tao Ambositra azy telo lahy ireo, nefa dia zavatra goavana amin’ny tsy fandriampahalemana any amin’ity faritra ity no nisy ary basim-panjakana no tratra tamin’izy ireo.Voalaza fa manana fifandraisana amin’ny manamboninahitra lefitra iray ao amin’ny zandary ny iray nitondra ity basy ity ka navela hitsoaka izao. Raha ny zavamisy dia nisy ny fandefasan’ny komandy ny zandary ao amin’ny fiadidiana ny faritanin’i Fianarantsoa zandary efadahy nalefa tany Ambatofinandrahana haka ireo olona telo lahy izay nahitana sy nitondra ny basy tany amin’ny zandary ary ny milaza ny ho vavolombelona amin’ity raharaha ity hohadihadiana, tamin’ny faha 18 may 2016 teo, nefa dia lasa nitsoaka sy tsy hita izay nalehan’ireo olona ireo, ary dia navela handositra any. Ny fampihaonana azy efatra voakasik’ity raharaha ity dia hahafantarana marina ny tena tompon’ity basy ity, ary hampazava ny raharaha. Tena ity Manga ity tanteraka ve no tompon’ilay basy ity sa ireto telo lahy ireto ? Matetika dia tsy mijanona amin’ny fanadihadiana ihany ny zandary fa toa misy zandary manao ny asan’ny fitsarana koa indraindray. Izany no miteraka olana any ambanivohitra any matetika ka miteraka tsy fampitokisana amin’ny zandary sy ny polisy manao famotorana sy ny vahoaka matetika. Inoana fa hampiantso azy telo lahy ireto ny fampanoavana ao Ambositra ao amin’ny fitsarana amin’ny famotorana lalina ity raharaha ity satria amin’ny raharaha toa ireny dia ny vavolombelona sy ny porofo no tena azo itazonana olona iray na meloka izy na tsia ka lehibe ny fihenoana ireo olona voalaza ireo. Ny maha dahalo sy ny tsy maha dahalo koa dia mbola ilaina porofo sy vavolombelona mazava tsara koa. Inoana fa ho hita ny marina amin’ity raharaha ity mba tsy hisian’ny ahiahy amin’ny vahoaka sy ny mpitandro ny filaminana ary ny fitsarana. Miteraka resabe aty Ambatofinandrahana ity raharaha ity ankehitriny satria samy manana ny filazany ny olona mahalala ity raharaha ity amin’izao fotoana izao.

Antenimierampirenena: Tsy hita ny taratasin’ny afo sendikaly momba ny kolikoly

Omaly alakamisy faha 02 jona 2016 no nofidiana teo anivon’ny antenimierampirenena ny fandaharam-potoana mandritrin’ny 15 andro hatao sy handraisana fanapahan-kevitra ao amin’ity andrimpanjakana ity. Miisa efatra no hodinihana amin’izany dia ny mahakasika ny fanitsiana ny lalàna iraisam-pirenena momba ny lalàna 2006 momba ny hazo aty amin’ny tany mafana sy mando, misy koa ny mahakasika ny olana amin’ny fananatany, ny fandaminana amin’ny ankapobeny amin’ny fiarovana, ary fomba fiasa ao amin’ny “haut conseil de la defense” na ny filan-kevitra ambony amin’ny fiarovana. Fa nanontaninan’ny depiote koa ny antony tsy nandefasana ny fandinihana ny raharaha kolikoly avo lenta ataon’ny mpitondra ambony eto amin’ny firenena izay nitondran’ireto afo sendikaly ireto fitoariana tany amin’ny Bianco na ny birao maheleontena momba ny ady amin’ny kolikoly tamin’ny volana may 2016 lasa teo iny. Tamin’izao fihaonana izao no nahafantarana fa tsy hita ny antonta-taratasy fitoriana nataon’ireto afo sendikaly ireto ary tsy tonga tany amin’ny filohan’ny antenimierampirenena hono. Very nanjavona izany ny fitarainan’ny vahoaka. Dia mba azo lazaina ve izany fa solombavambahoaka marina ny depiote? Tsy azo inoana velively ny fahaverezan’izany fa tsy tiana fotsiny izao ny handinihana azy io. Rehefa voatohitohina ny mpitondra ankehitriny dia toa izao no zavatra mitranga ao Tsimbazaza ao. Tsotra ny antony satria tsy te handinika izany izy ireo fa matahotra an’ingahy Hery Rajaonarimampianina. Antontan-taratasy lehibe toa izany ve dia tokony ho very ao amin’io andrimpanjakana io? Mampihomehy sy mahamenatra.

Nangonin’i Jesy Rabelaolao

Les Orchidées Blanches: Nahazo trano goavana fitaizana

Fikambanana mpanao asa soa amin’ny fitaizana sy fanabeazana an’ireo ankizy manana fahavotsana ara-tsaina ny « Les Orchidées Blanches » eny Androhibe. Rtoa Ramaroson Odette no mpiahy azy io hatramin’izay ka hatramin’izao. Manana mpiara-miombona antoka mifanome tanana aminy eo amin’ny fiaraha-mizaka ny enti-mampiodina io foibe fitaizana io ny « Les Orchidées Blanches », ary iray amin’ireny ny Mpanjakan’i Monaco any Frantsa. Fony minisitry ny mponina Rtoa Nadine Ramaroson dia nihamafy sy nihamatotra ary niroborobo ny fiaraha-miasan’ity Foibe fitaizana zaza manana fahavotsana ara-tsaina ity sy ny mpanjakan’i Monaco . Nitohy sy nihatsara izany rehefa nandimby azy teo amin’ny fitantanana ny ministeran’ny mponina Rtoa Vaomalala Olga. Nahavita nandresy lahatra kokoa an-dry zareo any Monaco ny mpitantana ny Orchidées Blanches, ary nahazo antoka tamin’ny ministeran’ny mponina, ka nanambara aza fa ratsy endrika teo anoloan’ny fianakaviambe iraisampirenena isika teto Madagasikara tamin’ireny vanim-potoanan’ny tetezamita ireny, dia hafa kosa ny vokatry ny fahaiza-nifampiresaka sy nifandresy lahatra teo amin’ny minisitry ny mponina, Rtoa Vaomalala Olga sy ny « les Orchidées Blanches », ankilany, sy ny fanjakan’i Monaco, andaniny. Mivaingana ny vokatr’izany satria nahavita nanangana fotodrafitrasa goavana eny amin’ny foiben’ny « Les Orchidées Blanches » eny Androibe izany fiaraha-miombona antoka izany. Ny alarobia lasa teo no notokanana io foibe misy rihina roa io, ary natao teo ambany fiahian’ny ministeran’ny mponina. Isan’ny tonga teny an-toerana koa ny minisitra teo aloha nisahana ny mponina, Rtoa Vaomalala Olga. Izy izay nanamarika fa « na teo aza ny tsy fisian’ny famatsiam-bola avy any ivelany tamin’ireny fotoanan’ny tetezamita ireny dia nahomby ny fahaiza-mikaroka hevitra teo amin’ity fikambanana mpanao asa soa ity, ary nahitam-bokatra ny fandresen-dahatry ny ministeran’ny mponina, ka io hitantsika io ny fivaingan’izany.

20 tamin’ireo ankizy nobeazina sy notaizaina tao amin’ity foibe ity taty aoriana no efa tafiditra niasa, ary misy ankizy 125 mbola taizaina ao amin’izao fotoana. Mahatratra 38 ireo mpiasa mikarakara sy mandraharaha ao ka ny 20 amin’ireo no mpanabe sy mpanentana, ny 7 misahana ny fampandehanan-draharaha ary 11 no mpiasa miantoka asa.

11 Tapitrisa ariary isam-bolana kosa no enti-mampihodina ity foibe ity, ary 1.242.161.365 ariary no sandan’ilay tranobe vao vita notokanana teny Androhibe ity.