Nanapa-kevitra hitokona ny ben’ny tanàna rehetra avy ao amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany, taorian’ny fitsidihan’ny filoham-pirenena tany Manakara tamin’ny sabotsy faha 04 jona 2016 lasa teo. Izany fanapahan-kevitra izany dia noraisin’ireo ben’ny tanàna rehetra avy amin’ny distrika enina dia Manakara, Vohipena, Mananjary, Nosy-Varika, Ikongo ary Ifanadiana izay mandrakotra ity faritra ity tonga tany amin’ity fitsidihana nataon’ny filoha Hery Rajaonarimampianina ity noho ny hadisoam-panantenana azon’izy ireo. Nasaina ho tonga hanatrika ity fitsidihana ity avokoa ny ben’ny tanàna rehetra tany amin’iny faritra iny. Nangataka tamin’ny filohan’ny repoblika Hery Rajaonarimampianina tamin’ny alalan’ny solotenany ireto ben’ny tanàna ireto ny momba ny fanampiana hoan’ny kaominina avy amin’ny fanjakana fanaony isan-taona “subvention” ho entina mampandeha ny raharahan’ny kaominina sy ny fandoavana ny volan’ny mpiasa. Tsy namaly sy tsy te hahalala akory ity raharaha ity ingahy Hery Rajaonarimampianina tamin’ny kabary izay nataony. Nanomboka teo dia tezitra ny ben’ny tanàna ireto ka nivory tao amin’ny “Espace” Manjely Mangarivotra izay natokana ho azy ireo tamin’izao fotoana izao, rehefa vita ny fitsenana. Tapak’ireto ben’ny tanàna ireto fa manomboka amin’ny faha 15 jona 2016 izao dia hakaton’izy ireo tsy hisy hisokatra intsony ny biraon’ny ben’ny tanàna rehetra manerana an’i Vatovavy Fitovinany. Manaraka izany dia tsy hananga-tsaina koa izy ireo amin’ny fetin’ny fahaleovantena Malagasy amin’ny faha 26 jona 2016 izao. Miisa teo amin’ny manodidina ny 100 teo ireo ben’ny tanàna tonga tamin’izany.

Tsy ny ben’ny tanàna ihany anefa no tezitra amin’izao raharaha izao fa ny sefom-pokontany koa. Fanampiana azy ireo tao anatin’ny iray taona no notakian’izy ireo tamin’ity fahatongavan’ny filohan’ny repoblika Hery Rajaonarimampianina ity tany Manakara nefa dia tsy nasiany valiny koa na fitenenana na kely aza. Tezitra koa itsy solotenam-panjakana any ifotony ireto ka milaza fa hanampy ny hetsikin’ny ben’ny tanàna ireto.

Izany fanapahan-kevitra izany dia mbola nampitain’izy ireo tamin’ny alalan’ny radio ao Manakara ny sabotsy faha 04 jona sy 05 jona 2016 lasa teo. Milaza ireto ben’ny tanana ireto fa tsy nisy ny tokony nampiantsoana azy ireo hamonjy ny fitsidihan’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina tany Manakara iny raha toa ka tsy hamaly ny fahoriana mianjady amin’ny vahoaka izy. Toa ny tsy misy raiamandreny ny firenena hoy ihany ireo ben’ny tanàna ireo satria ny vahoaka any ifotony mihitsy no tsy raharahany intsony. Ny nahagaga ireo mponina tany Manakara aza dia ny fizarana vola 1000 ariary ho an’ny olona izay tonga nilahatra hitsena ity filoham-pirenena ity hoy ihany ny olona izay nanatrika ny fizana izany vola izany. Fa isan’ny tezitra koa ny olona izay mpikambana ao amin’ny Tiavo Manakara izay nangataka tamin’ny filoham-pirenena ny fijereny ny raharahan’ny volan’izy ireo izay mihitsoka ao amin’ity toerana fametrahana vola ity, nefa dia tsy noraharahan’ny filoham-pirenena koa izany, ary tsy nasiany fitenenan na kely aza.

Eo anatrehan’izany zavatra mahazo ny ben’ny tanàna any Vatovavy Fitovinany izany dia aiza ny loholona( senatera) avy any amin’ity faritany ity. Anjaran’ny senatera ny mijery ny olana amin’ny resaka toe-karena sy sosialy any amin’ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana, araka ny asa voasoritra ao anatin’ny lalàna ary ahindrahindran’ity andrimpanjakana ity ny filazana izany ombieny ombieny amin’izao fotoana izao. Tsy ny any Vatovavy Fitovinany irery no mitaraina amin’ny tsy fahazoana “subvention” hoan’ny kaominina avy amin’ny fanjakana izao, fa manerana an’i Madagasikara. Tsy mandray andraikitra mihitsy ny minisitrin’ny Atitany Mahafaly Olivier Solonandrasana sady praiminisitra lehiben’ny governemanta , satria izy no tompon’andraikitra voalohany amin’izany, no sady efa lasa praiministra koa ka lehiben’ny asampanjakana rehetra. Toa izany koa ny minisitrin’ny vola sy ny teti-bola Gérvais Rakotoarimanana izay tokony hamoaka ny vola amin’izany. Rehefa tsy mandeha intsony ny kaominina dia tsy misy intsony ny fanjakana. Raha toa ka mandray izany fanapahan-kevitra izany avokoa ny ben’ny tanàna rehetra manerana an’i Madagasikara, dia azo lazaina fa rava ity fanjakana ity.

Jesy Rabelaolao