Tonga any Ambatofinandrahana koa amin’izao fotoana izao ny fanafihana andian-dahalo mihoatra ny 50 mahery. Izany no nitranga tao amin’ny fokontany antsoina hoe Mahavanona tamin’ny sabotsy faha 04 jona 2016 lasa teo. Miala 5 km ao atsimon’ny renivohitr’Ambatofinandrahana no misy ity toerana ity. Tamin’ny telo ora tolakandro dia tonga ny andian-jiolahy ireto. Navorin’izy ireo avokoa ny omby miisa 100 tao amin’ilay toerana. Raikitra ny ady teo amin’ny fokonolona sy ny dahalo. Nitsoaka ny niafaran’ny vahoka satria ny antsasakin’ny dahalo dia nampiasa basy avokoa. Nahitana “Kalacknikov “ miisa telo hoy ny fokonolona avy ao Mahavanona ireto dahalo ireto ary “mas 36” miisa 2. Polisy valo lahy no avy hatrany no tonga namaly ny antson’ny fokonolona tao amin’ity toerana ity. Voatery niditra an-tsehatra mihitsy ny kaomisera ao Ambatofinandrahana nitarika ireo polisy teo ambany fiahiany. Nizara roa izy ireo ka ny iray nanaraka avy ato aorian’ny dahalo, izay niampy fokonolona, ary ny kaomisera sy ny polisy efatra miampy lehilahy vitsivitsy hafa efa nanakana ny amin’ny kizo izay noheverina fa handalovan’ireto dahalo. Tonga anefa ny alina dia very ny dia ka lasa namonjy ny tety ao Ite, izay tendrombohitra fieren’ny dahalo. Rehefa tonga tao amin’ity toerana ity ny omby dia sarotra ny fahazoana azy noho ny toetran’ilay toerana. Nahatsapa ny fokonolona fa tsy ampy ny isan’ireto polisy nanaradia ireto na dia nanao ny ainy tsy ho zavatra aza izy ireo. Hatramin’izao fotoana izao dia mbola any antampo-tanety any miaraka amin’ny fokonolona ireo polisy ireo. Amin’ny fotoana toa izao dia ny kaomisera ity hatrany no mitarika ny polisiny mitarika ny fanafihana hiady amin’ny dahalo toa ny nataony tany Tsimanariloka. Olona roa no voalaza fa naratra tamin’ny fanafihana ity. Nohararaotin’ny dahalo tamin’ny andron’ny fanaovana Tsena-be ao Ambatofinandrahana nanomboka tamin’ny zoma faha 3 jona 2016 lasa teo ny fanafihana izao. Fantatr’ireto dahalo ireto fa ny polisy ao Ambatofinandrahana dia latsakin’ny 20 sisa no miasa ao amin’ity toerana ity. Nohararaotiny izany satria mbola misy ny tsy maintsy manaramaso ny tanàna sy ity tsenabe ity. Ny mahagaga dia nafindra tao Ambatofinandrahana ny polisy miisa 11 tamin’ity taona ity nefa tsy nasiana solony. Ny ao Ambositra anefa dia mahatratra hatrany amin’ny 100 latsaka kely no miasa ao tamin’ity taona ity. Ambatofinandrahana no isan’ny toerana mena indrindra amin’ny tsy fandriampahalemana ao amin’ny faritra Amoron’i Mania nefa dia izao anesorana izao indray ny isan’ny polisy ao aminy. Raha toa nisy maromaro ny polisy sy ny fitaovana ao amin’ity kaomisaria ity dia azo lazaina fa tratra ireo dahalo ireo hoy hatrany ny fokonolona tany an-toerana izay nanatrika ny fifanafihana.

J.B.