Oha-pitenenana malagasy nanana ny lanjany teo anivon’ny fiaraha-monina teto io, ary mbola mitoetra sy mitombina hatrany ankehitriny. Ny dikan’io raha tsorina dia hoe « misy olona miseho ho liam-pihavanana ; mandala fifandeferana, tsy manao lolo-po, tsy mihatsaravelatsihy… nefa ny any anatiny any, tena fo lentika, hoy ny ntaolo. »
Mitamberina an-tsaina io oha-pitenenana malagasy io raha nandinika ny tenin’ny filoha Rajaonarimampianina tany Toamasina tamin’ny zoma teo ny mpanoratra. Nitokana ny foiben’ny tafika misahana ny fiarovana sivily na « protection civile» tany izy, ary nitokana ny fanavaozana sy fikojakojana koa ny hopitaly be ao an-toerana.
Tamin’ny lahateny nataony no nanaovany angoan-tenda hoe « mila fifanomezan-tanàna ny fampandrosoana ny firenena», « mitaky fifampiresahana sy fifanatonana ary fiaraha-midinika izany fa tsy fanakorontanana an-dalambe no hahitan’ny firenena tombontsoa ». Raha akapoka dia toa karazan’ny miantso ny tsy mitovy hevitra politika aminy ny filoha Rajaonarimampianina mba hifanatona sy hiara-midinika an’izay tokony hanarenana sy hanatsarana ny fitantanana ny firenena. Raha izay lafiny iray izay aloha no jerena dia tsikaritra fa mahatsapa ny tsy fandehanan’ny firenena intsony Ingahy filoha ka miantso ny rehetra hifanolo-tanana aminy hanavotana ny fiainam-bahoaka. Rehefa mandinika ny tranga sasany ivelan’izay kosa anefa dia mahita fa te handrebireby sy hanodinkodina ny sain’ny maro indray izy, ary mbola te hamitaka ny vahoaka. Nahoana, angaha, hoy ianao ?
Tokony manao fihetsika voalohany izy hoe « reko ny feo rehetra mandeha momba ny afitsoky ny olona sasany ato an-dapa sy ny sasany manodidina ahy, ka handray fepetra avy hatrany momba azy ireny aho na inona na ahoana tena fandehan’ny feo». Izany hoe mampanao fanadihadiana , dia mandray ny fepetra mifanandrify amin’izany, ary avela hanao an-kalalahana sy amin’ny fahaiza-manaony ny fanadihadiana ny manam-pahefana momba izany (kidnapping tany Toamasina, raharaha andramena Bekasy ny tohiny, fanondranana volamena sy ny namany, ny volam-panjakana nanjakan’ny fanamparam-pahefana…°).
Dia milaza ampahibemaso koa ny filoha hoe « fantatro fa noho ny hevitra politika tsy itoviana no nahatonga ny fanaovana hazalambo an-dry Lylison ka hatsahatra manomboka izao izany. » Sy ny maro nanakianan’ny maro azy e !
Tsy hoe mandefitra no dikan’izany fa mitady ny fomba hanarenana ny tsy nety ary hamatorana andraikitra ny hafa koa mba tsy hihevi-tena ho tompon’ny marina, nefa samy nanana dian-tanana tamin’izao fahapotehan’ny firenena izao.
Farafahakeliny, mba manao fihetsika toa izany, ary tsy imolotra ihany no itenenana an’izany rehetra izany fa arahina asa tokoa, ary mampiseho fahatsoram-po amin’ny rehetra.
Tsy izany anefa aloha no misy hatreto fa ny fanohizan-dry zareo ny raharaha maloto amin’ny fanamparam-pahefana, ny jadona ombam-pampihorohoroana, ny fanomezana vahana an’ireo tandapa tsy maty manota amin’ny raharaha maizina marobe. Izany no mahatonga anay hanipika amin’ity « inty sy nday » ity fa resa-be fampandriana adrisa aloha hatreto ny an’i Hery Rajaonarimampianina, satria ny azy dia mbola hoe « tsy miady, tsy miady, fa ny kibay an-kelika ihany ».
Dia tsy hilefitra aminy koa ny vahoaka satria efa mafy ny nanjo nandritra ny 54 taona fa mbola mihamafy ihany izao hatramin’ny niakaran-dRajaonarimampianina eo amin’ny fitondrana.
Faralahy