Nandefasan’ny ministeran’ny Atitany sy ny fitsinjarampahefana taratasy fanazavana “ demande d”explication” ny filohan’ny Afo Sendikaly Ratolojanahary Maharavo Zafitsimivony izay fantatrin’ny be sy ny maro amin’ny anarana hoe Doudou. Administratera sivily ity lehiben’ny sendika ity, izay mitaky mafy ny mahakasika ny tombotsoan’ny mpiasam-panjakana ankehitriny. Isan’ny iadiany koa ny ady amin’ny kolikoly avo lenta sy ny fanodikodinam-bolam-panjakana izay ataon’ny mpitondra amin’izao fotoana izao ka mampahantra ny mpiasa sy ny Malagasy. Nitondra ny fitoriany tany amin’ny Bianco na ny birao mahaleontena miady amin’ny kolikoly teny Ambohibao ity raharaha ity ny Afo sendikaly ity ny faha 29 aprily 2016 lasa teo. Taorian’izany dia mbola nitondra fitoriana teny amin’ny antenimierandoholona sy ny antenimierampirenena ny taratasy mitovy dika amin’ny nalefa any amin’ny Bianco koa ireto Afo sendikaly ireto. Ny tany amin’ny antenimierampirenena moa dia voalazan’ny fivoriana tamin’ny herinandro lasa teo fa very hono ny taratasy fitoriana ity ka tsy nodinihana amin’ny fivoriana aram-potoana amin’izao fotoana izao indray. Tena mahagaga izany. Tamin’izany fitoriana izany no nitondran’izy ireo ny porofo rehetra marim-pototra mikasika ny kolikoly avo lenta ataon’ny fanjakana ankehitriny. Isan’ny voakasika amin’izany hoy ingahy Doudou ny minisitrin’ny Atitany sady Praiminisitra amin’izao fotoana izao. Isan’ny notanisainy tamin’izany koa ny raharaha mahakasika an’i Claudine Razaimamonjy sy ny namany ary Andrianarivoson Nicole izay voalaza fa samy mpanolotsaina an’i filoha Hery Rajaonarimampianina sy ny mahavoakasika ny vadin’ny filoha Voahangy Rajaonarimampianina. Voalaza amin’ny taratasy malok’ila “demande d’explication” nomen’ny ministeran’ny Atitany azy io koa ny mahakasika ny fivoriana izay nataon’izy ireo tao amin’ny kianja mitafo tao Mahamasina, ka nanomezan’izy ireo 72 ora tsy hampandehanana ny raharaham-panjakana. Voalaza koa fa mampiasa ny anaran’ny sendikan’ny administratera sivily “Synad” koa ingahy Doudou nefa tsy nahazo fankatoavana avy tamin’ity sendika ity. Toa izany koa ny fitsikerana ampahibemaso an’ny Voahangy Rajaonarimampianina sy ny maro hafa koa, dia voalaza fa tsy nanaja ny tsiambaratelo ny mpiasampanjakana ity filohan’ny Afo Sendikaly ity ka tsy nanaraka ny didim-panjakana laharana 2003-1158 tamin’ny laharana faha 29 sy 30 mahakasika ny fepetra tokony hananan’ny mpiasam-pajakana.
Raha namaly izany ingahy Doudou dia nilaza fa manao ny asa araka ny lalàna mifehy ny sendika izy ireo. Sady nanaraka ny lalàna velona izy ireo no nanaraka koa ny lalàm-panorenana ary mbola nanaraka ny filamatra ataon’ny fanjakana tarihan’ingahy Hery Rajaonarimampianina amin’izao fotoana izao, izay manana ny tarigetra hoe : ady amin’ny kolikoly, sy ny fanajana ny tany tan-dalàna ary ny fampiharana ny fanjakana tsara tantana. Fanampiana ny fanjakana amin’ny fanatanterahana ireo tarigetra ireo no nataony hatramin’izao hoy ihany ny fanazavana, ary raha ny tokony ho izy dia hisaotra azy ny fanjakana amin’ny fanaovany izany sy hankasitraka. Ny sendika hoy ihany ingahy Doudou dia hery manery “groupe de pression” raha tena manao ny asany araka ny tokony ho izy. Tsy miray tsikombakomba amin’ny ratsy amin’ny mpampiasa azy sy amin’ny fanjakana, fa manery azy ireo hanaraka ny tokony ho izy sy hanara-dalàna. Noho izany dia tsy maintsy miady amin’ny kolikoly izay ataon’ny fanjakana amin’izao fotoana izao ny sendika, satria isan’ny asany izany. Tsy azo ekena hoy izy ny fampiasana vola ataon’ny fanjakana amin’ny famonoana afo sy fanambatambazana ny olona hanaraka ny zavatra ratsy ataony. Lasa “gouvernement de l’argent” no misy eto Madagasikara amin’izao fotoana izao, na fanjakana miantehitra amin’ny fampiasam-bola fotsiny ihany ka tsy ekena mihitsy izany. Izay te hiditra amin’izany fomba izany hoy ihany ingahy Doudou dia aoka izy hiditra ao anatin’ny HVM (Hery Vaovao hoan’i Madagasikara), satria io no tetika ampiasan’ity fanjakana ity hanafenana ny tsy fahombiazany amin’ny fitantanana ny raharahampanjakana. Aoka holazaina ny risoriso sy ny kolikoly misy eto amin’ny Firenena ataon’ i Claudine sy Nicole mpanolotsaina eny Iavoloha miaraka amin’ny minisitra satria efa nahitana porofo ireo ka izany no nentinay tany amin’ny Bianco. Vidian’ireo olona roa ireo avokoa ny hery eto amin’ny firenena hoy ihany i Doudou hatramin’ny antenimierampirenena ka hatrany amin’ny mpanao gazety sasantsasany. Ary izany koa dia tonga hatraty amin’ny sendika satria efa nandefa olona hanao tolotra taminy i Claudine ity fa tsy nety izy mba hampijanona ny fihetsiketsehana ataony ao amin’ny Afo Sendikaly ity. Fanjakana devoly no misy eto Madagasikara amin’izao fotoana izao hoy ihany ingahy Doudou omaly tetsy amin’i Tana Hotel tetsy Antaninarenina raha nitondra hatrany ny fanazavany.
Nanambara ingahy i Doudou fa tsy nampiasa mihitsy ny anaran’ny sendika Synad ny tenany, ary tsy hampiasa izany velively.
Teo anatrehan’izany dia nilaza ity lehiben’ny Afo sendikaly ity fa tsy hijanona amin’ny fitakiany izy ireo na dia misy aza ny fandrahonana fandroahana azy amin’ny maha administratera azy izay sy ny fanapahana ny karamany. Tsy azo ekena intsony ny zavatra misy eto amin’ny firenena ka hiitatra hatrany amin’ny faritany ny afo sendikaly ity manomboka izao satria efa maro koa ny mpiasampanjakana any amin’ny faritra no miandry azy ireo.
Teo anatrehan’izao fampihorohoroana sy fanamparampahefana ataon’ny fanjakana izao dia nanambara koa ingahy Doudou omaly alatsinainy faha 06 jona 2016 tamin’ny valandresaka nataony tamin’ny mpanao gazety io fa nisy ny jeneraly iray avy amin’ny tafika malagasy namana avy ao amin’ny tafika amin’izao fotoana izao, izay voalaza fa namana ihany ka niangavy azy ny handositra satria hono ho samborina koa izy ireo atsy ho atsy aorian’ny fisamborana an’i Lylison izao. Dia nanambara moa ity mpitarika ny afo sendika ity hoe “ misambora ianareo raha te hisambotra fa tsy manana fiaramanidina handosirako aho ary tsy manana tany hafa handehanako”. Taorian’izany dia nandray ohabolana betsileo iray i Doudou ity ka hoy izy hoe: “ ataovy soa ny tarogna fa ny toaka raha hisinda”, na “ataovy tsara ny fitenena fa ny toaka tsy maintsy hiafana”
Dia mazava izany izao fa miditra amin’ny fanamparam-pahefana sy ny jadona ny fanjakana Hery Rajaonarimampianina io amin’izao fotoana izao. Dia mbola tsy hahay handray lesona tamin’ny fitondrana nisy teo aloha ihany ve sanatrian’izany ?
Nangonin’i Jesy Rabelaolao