Io àry fa manomboka miseho lany indray ny akon’ny fandohalihan’ny mpitondra fanjakana malagasy amin’ny mpamatsy vola avy any ivelany. Baiko hentitra no nomen’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (Fmi) ny amin’ny tsy maintsy ampitsaharan’ny fanjakana ny fanampiana ara-bola ny orin’asa Jirama sy ny Air Madagascar, dia mandohalika ny mpitondra satria te hahazo an’ilay ampaham-bola eo amin’ny 240 tapitrisa Dts eo.
Dia nandray fepetra aloha ny Jirama fa tsy maintsy hasondrotra, hono, ny saran-jiro aman-drano hamatsiany ny mponina, ka eo anelanelan’ny 9 ka hatramin’ny 20 %, araka ny sokajiny avy, io fisondrotana io. Ho an’ny vahoaka aloha, satria henjana loatra ny vaikan’ny fahasahiranany, dia ny fampidinana azy io aza no rariny aminy, saingy ny mpitondra fanjakana moa tsy mijery izany tombontsoam-bahoaka sy rariny izany fa ny fanampiana avy amin’ny mpamatsy vola no mahadodona azy dia tsy maintsy toaviny. Hiteraka fiakaram-bidim-piainana hafa koa io, ka asa izay ho akony any amin’ny rafi-pisainan’ny vahoaka.
Ny tsy azo iadian-kevitra aloha dia manaka-danitra hatrany ny fiakatry ny vidim-piainana e !
Etsy ankilany, tsaroana tsara ny fankatoavan’ny mpitondra fanjakana teto tany amin’ny taona 1996 tany, 20 taona katroka amin’izao taona izao, dia ny baiko ny amin’ny tsy maintsy nivarotana ireo orin’asam-pirenena niisa 45 ; ka isan’izany ny Bankim-pirenena teto sy ny Solima…
Niarahan’ny rehetra nahita ny nanjo ny mpiasa tamin’ireny orin’asa ireny. Mety hisy hilaza hoe « ampahafirin’ny tombontsoan’ny firenena niditra moa izany fa izay mpiasa ampolony na anjatony vitsy ireo ? » Ka izay ilay tsy mety. Na tombontsoan’ny firenena na tombontsoan’ny mpiasa dia tsy tokony nohamaivanina na natao sorona. Ary mbola azo ambara koa hoe « inona anefa hono no tena tombontsoan’ny firenena tamin’ny fivarotana ireny orin’asa isan-karazany ireny ? »
Momba ity fandrarana ny fanampian’ny fanjakana ny Jirama sy ny Air Mad ity no tokony hiadian-kevitra lalina indray aloha. Ny Jirama izany io dia efa nampihatra ny fepetrany ka nanondrotra ny saran’ny jirony sy ny saran’ny ranony hamatsiany ny vahoaka. Dia mba milaza koa anefa isika hoe « fa nahoana moa no raran’ny mpamatsy vola iraisampierenena ny fanampian’ny fanjakana malagasy ny Jirama nefa io Jirama io dia fanoitran’ny fampandrosoam-pirenena ? » Nahoana ny mpamatsy vola no tsy mba mivolana rehefa mandany vola amina miliara mivoaka mankany ampita na miliba amin’ny volam-panjakana ny mpitondra mpanararao-pahefana, nefa tsy misy akony afa-tsy ny fihomboan’ny fahasahiranam-bahoaka izy ireny ? Ny fanampiana ny vahoaka indray no rarany fa ny fandaniam-bolam-panjakana tsy amin’antony ataon’ny mpitondra, tsy ahoan’ny mpamatsy vola avy any ivelany. Izany ange ilay tsy rariny e ! Izany no ilazanay fa isan’ny loharano miteraka ny fampahantram-bahoaka eto ny fepetra na jadon’ny mpamatsy vola avy any ivelany nasaina nampiharin’ny mpitondra teto hatrizay.
Jereo koa fa tsy mba miloa-bava ny mpamatsy vola, ankoatry ny fanondranana an-tsokosoko andramena avy eto. Tsy re feo mihitsy ry zareo momba ny fanondranana vatosoa sy volamena, izay tokony ho loharanom-bola mamatsy ny kitapom-panjakana eto hiatrehany ny fikarakarana ny vahoaka. Satria miondrana mankany Azia (Shina) ny andramena dia mody sarotiny ny mpamatsy vola mahazatra fa ny harem-pirenena hafa eto miondrana antsokosoko mankany eraopa na firenen-dehibe tandrefana hafa, dia odian-tsy fantatra na tokony hanasoavana ny vahoaka aza? Isan’ny antony mampanaka-danitra ny vidim-piainana anefa izany satria ny vola avy amin’ny Fmi sy ny avy amin’ny Banky Mondialy ihany no miantoka ny fidiram-bolam-panjakana, dia miteraka akony ratsy eto izany satria tsy maintsy mampihatra ny fepetra avy amin-dry zareo ny mpitondra, fa ny harem-pirenena miondrana an-tsokosoko eto, tsy raharahan-dry zalahy na fongana rahampitso ihany aza. Dia manaka-danitra hatrany e !
Faralahy