Namory mpanao gazety tetsy amin’ny “Hôtel le monde du grillade” tetsy Avaratr’Antanimora ny fikambanan’ny manampahaizana avy any amin’ny faritra Sofia omaly alatsinainy faha 06 jona 2016 tamin’ny 2 ora sy sasany atoandro. Mahakasika ny fanenjehana ataon’ny fanjakana Hery Rajaonarimampianina an’ny senatera Lylison Rolland de Réné no anton’izany filazana izany. Nitarika ity fikambanana ity ingahy Paul Martin antsoina hoe « lepôly », izay nohotronin’ny tanora maro sy ray amandreny vitsivitsy avy any any amin’ny faritra Sofia. Nilaza fa tsy afaka ny hipetraka fotsiny amin’ny zava-mitranga atao amin’ity loholona ity izy ireo. Tonga teto Antananarivo ny solontenan’ny ray amandreny SOJABE maromaro avy any amin’ny faritra Sofia hoy ny fanambarana, izay hifampiresaka amin’ny fanjakana isan’ambaratongany, nefa dia navezivezy sy tsy nomena valiny mahafapo mikasika ny antony mazava anenjehana ny loholona Lylison. Mampanahy ny olona avy any amin’ny faritra Sofia ity ny fanenjehana atao amin’ny zanakin’ny faritra ity satria tsy izao ihany no nisy fanenjehana toa izao natao tamin’izy ireo teto amin’ny firenena. Voalazan’ireto olona ireto fa olon’ny fiaraha-monina ingahy Lylison no sady mandray andraikitra teo amin’ny fikarakarana ny mpianatra sy ny mpiara-belona aminy, teo amin’ny lafiny rehetra. Iarahana mahita ny fahalovana, ny kolikoly sy ny tsy rariny misy eto amin’ny firenena ary ny fahantrana efa lalim-paka mianjady amin’ny vahoaka Malagasy, izay efa nambaran’ny fikamban’ny Eveka eto Madagasikara. Manontany tena ny olona avy any Sofia ireto ny amin’ny fahotana sy heloka nataon’i Lylison raha nanamafy io fanambarana nataon’ny fianakaviam-ben’ny Eveka io. Misy atao zanak’ikalahafa eto amin’ity firenena ity hoy ihany ny fanambaran’ireto olona ireto satria misy ny ampiharina ny lalàna ary misy tsy ampiharina izany. Ny ady amin’ny kolikoly avolenta misy eto amin’ny firenena sy ny fitsinjovana ny vahoaka Malagasy ary ny fiarovana ny harem-pirenena no tokony hataon’ny mpitondra vaindohandraharaha fa tsy ny manenjika olona manao fanehoan-kevitra araky ny lalàm-panorenana.
Noho izany dia mampitandrina ny fanjakana isan’ambaratongany ireto zanak’i Sofia ireto mba tsy hisy ny mizana tsindrian’ila amin’ny fampiharana ny lalàna velona misy eto amin’ny tany sy ny fanjakana izay ataon’ny fanjakana amin’izao fotoana izao. Miangavy ampanajana ny filohan’ny repoblika mba hampitsahatra avy hatrany ny fanenjehana tsy ara-drariny izay atao amin’ny loholona Lylison Rolland de Réné, izay olom-boafidy. Tsy hanaiky mora foana amin’ny tsindry hazo lena amin’ny ataon’ny fanjakana amin’ny zanak’i Sofia izao ireto fikambanan’ny manampahaizana avy any amin’ny faritra ity izao hoy ihany ny fanambarana nataon’izy ireo.
Jesy Rabelaolao