Ady hevitra saika tsy nananam-pitsaharana teto ny fepetra noraisin’ny mpitondra fanjakana tany ambadiky ny 25 taona tany, momba ny fampitotonganan’ ny sandam-bola malagasy. Tsaroana tsara mihitsy fa raha novidiana ariary folo (50 fmg) ny iray farantsa frantsay (1ff) tany amin’ny taona 1982 tany, dia poa toa izay, efa-taona taorian’io, nidangana ho 60 ariary na 300 fmg izy io. Ny antony dia satria nobaikoin’ny mpamatsy vola ny fitondrana.

Rehefa tonga ny fitondran’ny Repoblika fahatelo, tapany voalohany tamin’ny 1994, dia noteren’ny mpamatsy vola hampihatra ny politikan’ny fitsingevahevan’ny sandam-bola na ny « flottement » indray ny mpitondra malagasy, dia nitotongana be indray ny sandam-bola malagasy ka navotana 6.000 fmg indray ny 1 FF. Dia niaka-nidina teo io, ary nanampy trotraka an’io fitotonganan’ny sandam-bola malagasy io ny fepetra nampiharin-dRavalomanana tamin’ny 2003.

Rehefa nivadika ho Euro ny vola miasa any Eraopa Mitambatra dia izao nitotongana isaky ny mihetsika izao indray ny sandan’ny vola malagasy.

Amin’izao fotoana dia avotantsika 3.645 ariary ny 1 Euro ary vidiantsika 3.264 ariary ny dolara amerikana.

Endrika ibaribarian’ny fitotonganan’ny fiainan’ny firenena malagasy ny fitotonganan’ny sandan’ny vola malagasy toa izany, sao adinontsika.

Tamin’ny fotoana nampiharan’ny fitondrana Ratsiraka ny fitotonganan’ny sandam-bola malagasy (devaluation) tany amin’ny taona 1987 tany dia nosasainy ny lohan’ny vahoaka hoe « fampirisihana ny vahoaka hamokatra io fa vao mainka hahazo tombony ny vahoaka ». Ny mifanohitra tamin’izany no nitranga.

Tamin’ny fitondrana Zafy Albert koa, raha nampiharina ny politikan’ny « Flottement », satria nanaiky nandohalika teo ampoto-tongotry ny Banky Mondialy sy ny Fmi ny Praiminisitra Ravony sy ny minisitry ny vola, Raserijaona, ary ny minisitry ny toekarena, Rabetsitonta Tovonanahary, dia nivarimbarina ny sandan’ny vola malagasy.

Ekena tokoa fa niteraka fifaliana ho an’ny tantsaha izany tamin’ny voalohany, satria nanaka-danitra ny vidin’ny kafe avy any amin’ny tantsaha. Toraka izany koa ny vidin’ny lavanila. Saingy nandalo ihany io fifaliana io satria ny vidin’ny kojakojam-piainana andavanandro tsy maintsy natrehin’ny isan-tokonam-baravarana, nanaka-danitra koa ny vidiny, noho ny fitotonganan’ny sandan’ny vola malagasy. Na siramamy na menaka na lamba na kojakoja fanolo isan-karazany amin’ny milina isan-tokony, eny hatramin’ny vidin’ny solika… ka tsy naharaka ny fiakatry ny vidin’ny kojakojam-piainana andavanandro tsy maintsy novidian’ny mponina ilay fiakatry ny vidin’ny kafe sy jirofo mbamin’ny lanavila. Dia nihombo ny fivarimbarinan’ny fiaianam-bahoaka satria nitohy ny fitotonganan’ny sandan’ny vola malagasy.