Nitondra fanazavana ny fomba fahitany ny toe-draharaham-pirenena teo anoloan’ny mpanao gazety omaly i James Ratsima.

Nohamafisiny omaly ny efa nambarany hatrizay fa « tsy mbola afaka fa mbola eo ambany vahohon’ny mpanjana-tany vahiny frantsay i Madagasikara ». Nivantana mihitsy moa izy nilaza fa « ny mpitondra fanjakana nifandimby teto nandritra ny 56 taona no saribakolin’ny frantsay nahafahany nanohy ny fandrobana ny harem-pirenena teto sy nibaiko ny zavatra tokony hatao teto ». Fahaleovantena sandoka no nomena antsika tamin’ny taona 1960 , hoy izy, satria nibaribary fa na nomena filohampirenena malagasy sy sainam-pirenena ary hiram-pirenena sy tafika malagasy aza isika dia mbola ny mpanjanatany frantsay hatrany no nandidy sy mbola manohy izany fandidiany izany eto hatramin’izao.

Ny endri-javatra tsy azo hamaivanina koa, hoy hatrany i James Ratsima, dia zary nahantra avokoa ny firenena nogejain’i Frantsa, ary isan’ny nanafaingana ny fampahantrana an’ireny firenena ireny, ary isany isika eto Madagasikara, ny fandrobany ny harenantsika, ny fifehezany ny avara-pianarana, ny fangejany ny toekarena, ary volavolainy ho herim-pamoretana hiaro azy sy ny tombontsoany ny tafika. Lasa manao hazalambo ny tia tanindrazana mijoro maneho hevitra sy manentana ny vahoaka hanana fahasahiana miaro ny fiandrianam-pireneny sy ny tombontsoany ny tafika izay tokony hiaro ny firenena malagasy sy izay rehetra ao , hoy ihany i James Ratsima.

Hatramin’ny raharaham-pifidianaa izay isan’ny zo fototra tokony ho an’ny olom-pirenena no efa ametrahan’ny mpanjanatany ny tetika malotony mba ho ny olona novolavolainy sy efa voatefy hiaro sy hikatsaka ny tombontsoan’izy mpanjanaka no tsy maintsy lany, araka ny fanazavan’ny «Asandratro ny Fireneko», tarihin’i James Ratsima.

Ny rafitra ara-panjakana sy ara-piaraha-monina rehetra eto, sy ny sehatra isan-tsokajiny eto, na politika na toekarena amam-pihariana na sosialy, na kolotsaina, dia saika potehin’ny frantsay sy tsy maintsy nahodiny ho fanoitran’ny fikatsahany ny tombotsoany avokoa, hoy ihany ny mpamelabelatra omaly.

Izay, hoy izy, no mahatonga anay hilaza fa « ny famerenana ny tena fahaleovantenam-pirenena no maika izao », ka ireo teboka rehetra notanisaina fa ibaribarian’ny fanjakazakana sy fangejan’i Frantsa no tsy maintsy havaozina hatrany ifotony sy arenina ary raisin’ny malagasy an-tanana.

Tsy maintsy averina avokoa ny fananan’ny malagasy mbola gejain’i Frantsa, ka isan’izany ireo Nosy malagasy ao amin’ny lakandranon’i Mozambika, ; ireo orin’asam-pirenena nomena ny vahiny, indrindra fa ireo miantoka ny aim-pirenena, ireo tany namidy na norobain’ny vahiny.

Tafiditra ao anatin’ny famerenana ny tena fahaleovantenam-pirenena koa, hoy ihany i James Ratsima, ny fananganana tafika tena malagasy, mendrika sy hiaro ny fireneny sy ny vahoaka mbamin’ny fananam-pirenena rehetra. Toraka izany koa ny fananganana banky malagasy ho fampandrosoana ny malagasy tsirairay sy hiteraka fihariana ho an’ny rehetra, hoy izy.

Ralay