Tamin’ny taona 2014 dia natao teto Madagasikara ny fampihavanam-pirenena izay nokarakarain’ny FFKM (fiombonan’ny fiangonana kristianina eto Madagasikara). Fandinihana ny olana nisy teto amin’ny firenena hatramin’izay no tena anton’iny fivoriana iny. Mpitarika ny FFKM, izay notarihin’ny filoham-piangonana efa-dahy izay mivondrona ao amin’ity fikambanana ity. Nanampy azy ireo koa ny filoham-pirenena efa-dahy teo aloha dia Zafy Albert, Didier Ratsiraka, Marc Ravalomanana ary Andry Nirina Rajoelina izay nitondra ny Tetezamita. Isan’ny nampanao ny fivoriana ingahy Hery Rajaonarimampianina filoham-pirenena amin’izao repoblika faha efatra izao. Mpizaika miisa 2000 mahery avy amin’ny lafivalon’ny nosy no tonga namonjy ity raharaha ity. Teny amin’ny CCI Ivato no nanaovana ny fivoriana tamin’ny faran’ny volana aprily 2014 sy ny voalohan’ny volana may 2014. Nandeha ara-dalàna ny fivoriana ary vita soamantsara ny fanatanterahana ity fampihavanam-pirenena ity. Nisy ny fehin-kevitra navoakan’izany ka nanaovan’izy voalaza eo ambony ireo sonia, ka hotanterahana eto amin’ny firenena mba hialana amin’ny krizy miverimberina sy hidiran’ny Madagasikara amin’ny fitondrana ao anatin’ny fitoniana sy ny fandrosoana. Lasa ihany ity ny 2 taona dia tsy hita ny fampiharana izany. Asa very maina ny ezaka nataon’ny FFKM. Hatrany amin’ny faritany no nanaovana ny fivoriana savaranondo. Vola an-tapitrisany maro no lanin’ny firenena Malagasy tamin’izany. Velona ny fanantenan’ny Malagasy fa hiditra amin’ny tena fanarenana ny firenena ny rehetra. Tsy nasian’ny filoham-pirenena dikany anefa izany ka navalony ao anaty vata. Menatra sy afa-baraka teo imason’izao tontolo izao ny FFKM izay nidradradra tamin’ny haino aman-jery sy ny gazety vahiny sy Malagasy nivoy ny fihaonana. Tsy misy azo lazaina ny zavatra nitranga tamin’izany raha tsy ny fahafaham-baraka ihany. Nanomboka teo dia tsy henoheno intsony ny FFKM fa menatra sy afa-baraka. Hany teny nataon’izy ireo dia ny hoe “asa maharitra ny fampihavanana ka aoka isika hivavaka hatrany mba hahatanteraka izany”. Amin’izao fotoana izao dia tafiditrin’ny fahantrana ny vahoaka Malagasy, samy mahatsapa ny rehetra fa tsy mandeha ny fitantanana ny raharaham-pirenena. Hatramin’ny komity iraisam-pirenena sy ny masoivoho vahiny miasa eto Madagasikara dia samy mahatsapa avokoa fa mandrahona an’i Madagasikara indray ny krizy vaovao. Ny solotenan’ny firenena mikambana eto dia mbola nanambara izany tetsy amin’ny hoely Ibis iray volana lasa izay, manahy mafy ny hisian’ny krizy vaovao koa ny masoivohon’ny Vondrona Erôpeanina eto amin-tsika. Mandeha indray ny resaka fa hisy indray ny fampihavanam-pirenena. Raha misy tokoa izany dia mbola dia inona indray no hataon’i Hery Rajaonaraimampianina amin’ireto FFKM ireto? Ingahy Ban Ki-moon sekretera jeneralin’ny firenena mikambana raha nandalo teto Madagasikara tamin’ny faha 11may 2016 teo dia nilaza fa tokony hiverina amin’ny “dialogue national” na ny fiadian-kevitra nasionaly indray i Madagasikara. Inona indray no hiseho amin’io fotoana io raha toa ka ho tafiditra ao anatin’izany i Hery Rajaonarimampianina ?
Jesy Rabelaolao