Olana momba ny fizaka-manana tany no niatombohan’ny disadisa teo amin’ny mponina maro izay manajary sy manamaintimolaly ny tany, andaniny, ary ny ankilany kosa dia teratany vahiny. Tany amin’ny Fokontanin’i Bemoky ao amin’ny kaominin’i Manandaza any Miandrivazo no nitrangan’ny raharaha.
Nisy ny fampihaonana nataon’ny tompon’andraikitry ny filaminana eo anivon’ny «Omc» (organe mixte de conception) any an-toerana sy ilay teratany vahiny ary ny mponina izay nanamaintimolaly an’ilay tany ifanolanana.
Niezaka nandresy lahatra an’ireo mponina efa nanajary hatry ny ela ny tany ity vazaha mba hanao raharaham-pihavanana aminy, saingy mailo ny mponina satria toa tetika hamatorana an’ireo mponina hanaiky ny maha-tompon’ny tany an’ilay vazaha izany, ka nolavin’ireo mponina ny hanao sonia an’ilay taratasy efa voarafitr’ilay vazaha fa hanaovana ny raharaham-pihavanana.
Tsy raikitra izany ny fikatsahana marimaritra niraisana satria mailo dia mailo ny mponina.
Taorian’izay, dia niseho lany ny fanafihan-dahalo tao an-toerana, izay nisehoan’ny doro-trano mihitsy.
Maro amin’ireo mponina no miahiahy fa karazana valifaty avy amin’ity vazaha izao fahatongavan’ny fanafihan-dahalo izao, satria hoe hatrizay ela izay, nilamina ny tany amamonina, ary tsy mba nahenoana dahalo izany tao amin’ity tanàna ity.