Feno 40 andro izao no nanombohan’ny fivoriana ara-potoana nataon’ny loholona sy ny depiote teto Antananarivo. Hatramin’izao fotoana itenenana izao anefa dia mbola tsy nisy fanapahan-kevitra mahakasika ny fandaniana lalàna na iray aza nataon’ireo mpanao lalàna ireo. Antonatonan’ny governemanta fotsiny eto Antananarivo izy ireo. Tsy afa manoatra fa dia miandry izay tian’ireto governemanta ireto. Milalao tànana sy miantsena ary manao bizina sisa no ataony. Tsy mahagaga raha toa ka avy amin’ity andrimpanjakana ity no ipoiran’ny fikomiana satria tsy mahavita azy ny fanjakana. Tsy mbola nisy toa izao hoy ireto parlemantera ireto hatramin’izay nisian’ny fivoriana ara-potoana teto amin’ny firenena ka nivorian’ny depiote sy ny senatera. Ny tena manahirana amin’ity raharaha ity hoy izy ireo dia izahay no ataon’ny vahoaka hoe tsy te hiasa nefa ny governemanta no tsy mandefa tolo-dalàna hodinihanay. Fa inona loatra ary no ataon’ingahy Mahafaly Olivier Praiminisitra ao izao? Rehefa tsy hanao izy ireo dia tokony hametraka fialana fa tsy hampijaly firenena toa izao. Tena marina tokoa izany satria hatramin’izao dia ilaozan’ny governemanta mifandinika amin’ny fomba hisamborana an’i Lylison de Réné no hita taratra aty ivelany. 20 andro sisa dia hifarana ny fotoam-pivoriana. Tolo-dalàna telo ihany no mbola manangasanga ao amin’ny antenimierampirenena ao. Mahakasika ny fiarovana, ny hazo sarobidy ary ny fifamoivoizana no mbola misy izay tsy dia manala ny vahoaka amin’ny fahantrana mianjady aminy amin’izao fotoana izao. Ho tonga ihany ny fankalazana ny faha 26 jona dia tsy maintsy hiato kely indray ity fivoriana ity. Mazava ho azy izany fa tsy hisy raharaha firy hataon’ireo rafitra ireo. Kajio ny vola lanin’izy ireo tao anatin’izao 40 andro nijanonany teto Antananarivo izay satria tsy maintsy aloa ny tambikaraman’izy ireo, dia hohitanao fa mandany volam-panjakana fotsiny io governemanta io fa tsy mieritreritra firenena sy vahoaka. Sao dia efa tsy te hitondra firenena intsony izy ireo, fa ny vahoaka fotsiny no ampiesoniny ?

J.B.