Tamin’ny volana april sy may 2016 lasa teo dia nandeha teo amin’ny haino amanjery ary ny gazety maro teto Madagasikara ny fanodinkodinana vola nataon’ny ramatoa Claudine Razaimamonjy sy ny minisitrin’ny atitany Mahafaly Olivier Solonandrasana mahakasika ny ilay antsoina hoe « budget exceptionnel » izay nampiasan’ny ministeran’ny atitany ity hanamboarana fotodrafitrasa tany amin’ny Faritra Matsiatra Ambony sy Vatovavy Fitovinany. Vola mitentina amin’ny miliara maro no voahodinkodina tamin’izany. Ny asa nefa tsy vita araka ny tokony ho izy, sady mitaingina izay tsy izy ny tombam-bidiny, nefa ny vola dia efa nalaina tany amin’ny ministeran’ny fitantanambola sy ny vola. Misy mihitsy aza ny asa tsy nokasihina tamin’izany tany amin’ny kaominina nanaovana izany na kely aza fa dia noterena hamoaka ny vola izay nalefa tany aminy ny ben’ny tanàna tamin’ireny toerana ireny toa ny nitranga tany Ambohimahamasina tao Ambalavao Tsienimparihy izay nahitan’ny IGE (Inspecteur général de l’Etat) ny fanodinkodinana ireo vola ireo. Mahatratra 2 miliara fmg latsaka kely ny tao amin’ity kaominina ity no voahodinkodina. Heno ankehitriny, roa taona aty aoriana amin’izao volana may sy jona izao fa tonga nandokoloko ity tranon’ny kaominina ity ny mpiray antoka amin’ity ramatoa Claudine ity mba hanafenana ny vola teo aloha. Tsy izany ihany fa nisy koa ny tany amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany izay tao Tolongoina sy Sahasinaka, ka tamin’izany indray dia noterena hamerina ny 60% aty amin’ny minisitrin’ny atitany ny vola nentina hanaovana ny asa tao amin’ny kaominina ireo ilay orinasa nahazo ny tolotrasa ka ny 40% ihany no noterena hanaovany ny asa. Rehefa nanao ny fisafoana ireo tany an-toerana ny mpiasan’ny IGE ireto, araka ny andraikitra nankinin’ny fanjakana aminy, dia nahatsikaritra ny fanodinkodinana volam-bahoaka ireo. Ny nanao ny fisafoana ny fahavitan’ny asa sy ny tsy fahavitan’izany tamin’ireo toerana ireo dia ny “Inspecteur d’Etat”na ny IE Randrianarivony Daniel sy Rakotonomenjanahary Désiré izay samy miasa eto Antananarivo, ka ny tao Matsiatra ambony no niasany tamin’ity raharaha ity. Ny IE Fréderic izay miasa ao Fianarantsoa indray dia nanao ny fisafoana tany amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany, ka ny tao amin’ny kaominina Lokomby sy Sahasinaka no toerana isan’ny nandehanany tamin’izany. Niteraka resabe teo amin’ny tontolo politika teto amin’ny firenena ireo raharaha ireo. Voalaza aza raha ny resaka mandeha fa ingahy Ravelonarivo Jean no namoaka ny antontan-taratasy ireo ary nanamparitaka azy any amin’ny mpanao gazety tamin’izany andro izany satria tsy tian’ity praiminisitra teo aloha ity ny asa ratsy toa itony. Ny zava-nisy koa dia nangataka tany amin’ny sekreteram-panjakana ny zandarimaria sy tany amin’ny fibaikona ny zandarimaria teto Antananarivo ny hisamborana ireo olona ireo ny tao amin’ny fisafoana ao amin’ny IGE ireo ny hanaovana fanadihadiana an’ity ramatoa Claudine Razaimamonjy ity sy ny namany roa izay miara petsapetsa aminy, nefa dia tsy notanterahana izany hatramin’izao satria olona mpanolotsaina ao amin’ny prezidansa ity ramatoa ity. Niparitaka ny taratasy mikasika ny raharaha ity taty afara ka dia iny navoakan’ny haino amanjery sy ny gazety teto Madagasikara iny. Ny Afo sendikaly notarihin’i Doudou administratera sivily dia isan’ny nahazo antotan-taratasy mahakasika ny kolikoly sy ny fanodinkodinam-bola ireo koa ka nanao fitoriana tany amin’ny BIANCO (birao mahaleo-tena manokana miady amin’ny kolikoly)ity raharaha ity tamin’ny volana may lasa teo iny. Nandehanan’izy ireo koa ny tany amin’ny Antenimierampirenena ary nanaovana fivoriana manokana koa ny mahakasika ity raharaha ity tao amin’ity andrim-panjakana ity. Toa izany koa ny tao amin’ny Antenimierandoholona, nilazana ny zavatra misy ataon’ity ramatoa ity sy ny minisitra sasantsasany ao amin’io governemanta io. Efa miparitaka izay tsy izy ny taratasy momba azy ity ary efa nandeha tany amin’ny sampan-draharaha maro.
Ankehitriny dia nahazo taratasy fanapahan-kevitra (décision) avy any amin’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina mitondra ny laharana faha 74-PRM (portant traduction devant le conseil discipline d’un fonctionnaire du corps des inspecteurs d’Etat) ka mitondra ireto Inpecteurs d’Etat ireto hotsaraina momba ny asa nataony ireo, satria hono tsy mitazona ny tsiambaratelon’ny mpiasam-panjakana ambony, sy ny fandikana, ny tsy fanajana ny lehibe eo ambony, ny tsy fanarahana ny fenitrin’ny maha matihanina ary ny tsy fanarahana ny fepetra takiana amin’ny maha mpiasan’ny IGE azy. Handray sazy ho azy telo lahy ireto izany ny mpikambana ao amin’ny filakevitrin’ny fampiharana ny sazy (conseil de discipline), araka ny fangatahan’ingahy Hery Rajaonarimampianina azy, izay filohan’ny repoblika raha araka ny taratasy tonga eto ampelatanany. Ireto avokoa no ao anatin’izany filankevitrin’ny fampiharana ny sazy izany: Ny filohany dia ny jeneraly Ralala Roger izay sekretera jeneralin’ny filohan’ny repoblika. Miampy ny mpikambana manaraka ireto: Randrianasolo Jean Ferdinand avy ao amin’ny IGE, sy Razafiarijaona Ernest IGE ary koa ny ny mpitondra teny Randrianandrasana Edmond, izay tale jeneralin’ny IGE.
Ny zavatra mahagaga amin’ity raharaha ity dia ny fanasaziana indray ireto mpiasa ao amin’ny IGE ireto. Ady amin’ny kolikoly, sy fanodinkodinana volam-panjakana no nataon’ireo olona telo lahy ireo. Miasa tsara, manatanteraka ny baiko filamatrin’ny fanjakana amin’izao fotoana izao dia ny ady amin’ny kolikoly sy ny fanjakana tan-dalàna. Vokatr’izany dia sazy no azon’izy ireo. Nahoana koa no tsy nentina any amin’ny fitsarana sy nampanaovina fanadihadiana tany amin’ny zandary ireo olona ireo izay voakasik’ity raharaha ity, araka ny fangatahan’ny IGE hatrany? Mazava tanteraka izany amin’izao fotoana izao fa ireo izay manaraka ny ara-dalàna sy miady amin’ny fahamarinana sy miaro ny fanjakana no sazian’ingahy Hery Rajaonarimampianina indray, raha ity raharaha ity no asian-teny. Fiarovana ny mpangalatra sy mpanao kolikoly ary ny mpangalatra ny volam-panjakana izao fihetsika misy amin’ny firenena izao. Raha ny tokony ho izy dia tokony homena valisoa ireto mpiasa ao amin’ny “inspecteur general de l’Etat” ireto izay nanao ny fisafoana ity, ary homena fakasitrahana noho ny asa soa nataony hoan’ny firenena. Moa ve tsy hampirisika ny ny Malagasy hangalatra sy hanao ny tsy ara-dalàna izao raharaha izao, satria izay manao ny tsy mety indray izany no arovan’ny fanjakana sy ny filoham-pirenena?
JB