15 Jona 1975-15 Jona 2016. Feno 41 taona katroka amin’ity andro alarobia ity ny nivorian’ireo mpikambana tao amin’ny Fitondra-miaramila (directoire militaire) nitantana ny tany sy ny fanjakana tamin’izany. Fitondra-miaramila izay nijoro avy hatrany taorian’ny nahafantarana fa maty nisy namono ny alin’ny faha-11febroary 1975 ny kolonely Ratsimandrava, filoham-panjakana sady lehiben’ny governemanta. Ny Jeneraly Andriamahazo no nitarika izany fitondra-miaramila izany.
Ny faha-15 Jona 1975 no notanterahina ny fifidianana izay ho filoha mpitarika ny antsoina hoe « Filankevitra farantampon’ny tolompiavotana ». Ny fitondra-miaramila dia nirafitra tamin’ny alalan’ny manamboninahitra ambony sy manamboninahitra jeneraly niisa 18. Izany hoe karazan’ny voasolotena tao avokoa ny foko 18 nisy teto. Olona roa no nifaninana dia ny Kapiteny Ratsiraka sy ny kolonely Soja. Amin’ny raharaha toa ireny moa dia tsy maintsy misy ny asa mangina natao mialoha ka nanatombo tamin’io ny Kapiteny Ratsiraka, ary lasany ny ampaham-bato betsaka (16 noho 2). Dia izy no lasa filohan’ny Filankevitra farantampon’ny tolompiavotana.
Nanomboka teo izy, satria efa nanomana lahateny na kabary ho an’ny firenena malagasy, dia nanambara fa « hiroso amin’ny sori-dalana sosialisma » ary ho fanoitran’izany dia hanao « tolom-piavotana » na « revolisiona » isika, hoy izy.
Dia nisy ny fandrafetana ny « Fototra Iorenan’ny Revolisiona Sosialista Malagasy » tamin’ny alalan’ny Boky Mena. Tao no nanoritsoritana ny vinam-piaraha-monina sy ny tarigetra hotratrarina mbamin’ny teti-pivoarana hampahombiazana an’izany.
Voatanisa tamin’ny antsipirihany ny fototry ny fanarenana ny toekarem-pirenena, izay nambara fa ny fambolena sy fiompiana, ary nasongadina fa ny indostria no ho hery manosika, miaraka amin’ny varotra. Tsy nohadinoina ny nanipika fa « ny hery enti-mamokatra dia horaisina ho eo ampelantanan’ny fanjakana ». Voatanisa tamin’izany ny herin’aratra ka nananganana ny Jirama, ny solika izay nanorenana ny Solima. Tsy nohadinoina ny banky sy ny trano fiantohana.
Ny fampianarana dia nambara fa horaisin’ny fanjakana an-tanana ny fiantohana azy ka hatsangana ny sekoly fanabeazana fototra (Epp) ho isam-pokontany, ny sekoly ambaratonga faharoa fototra (Ceg) ho isaky ny Firaisampokontany, ny Sekoly Ambaratonga faharoa manokana (Lycée) isaky ny Fivondronampokontany, ary ny Oniversite ho isaky ny Faritany.
Marobe ny fampanantenana voarakitra tao, sy ny anjara-toeran’ny vahoaka, satria dia nasaina niorim-paka tany anivon’ny fokontany ny « Fokonolona mamokatra ». Hita taratra tany anivon’ny toeram-pianarana ny « Sekoly mamokatra », sy ny maro tsy ho voatanisa.
Raha ny tarigetra nofaritana tamin’izany 41 taona lasa izany aloha dia tena avo lenta sy nahavelom-bolo aoka izany. Sahinay ny milaza fa tsy mbola nisy fitondram-panjakana nanana vinam-piaraha-monina sy politikam-pirenena tsara rafitra sy tsara fototra toa iny tamin’ny « tolom-piavotana sosialista » iny.
Nandiso fanantenana ny vahoaka anefa ilay izy, taona vitsy monja taorian’izay, satria ireo olon’ny Pisodia tamin’ny Repoblika voalohany no saika nihazakazaka nanemitra ny rafi-pitantanana ny raharaham-panjakana isan’ambaratongany, ary nahazo avara-patana hatrany an-dapa rehetra tany. Mazava ho azy fa olona tsy resy lahatra tamin’izany hitondra fanovana hikatsaka ny tena tombontsoam-bahoaka fa hanohy sy hanamafy ny fitadiavana tombontsoa manokana toy ny tamin’ny andron’ny Pisodia ihany. Teo koa ny fanohizan’ny mpitondra fanjakana frantsay nikaroka ny irika rehetra hangejana hatrany ny firenena malagasy.
Roa taona taorian’izay monja dia efa niseho lany ny hetsi-bahoaka notarihin’i Dadamonja sy ny Monima, ka nilazana fa « lo ny fitondrana ».
Tsy azo lalovam-potsiny izao tsingerin-taona faha-41 niakaran’ny Kapiteny Ratsiraka teo amin’ny fitantanana farantampon’ny tany sy ny fanjakana izao satria maro ny tanora no tsy mahafantatra izany.
Ralay