Tato anatin’ny andro vitsy izay dia mandeha ny feo etsy sy eroa fa efa misy sahady ny fanangonana olona eny anivon’ny fokontany, indrindra fa eny amin’ireo faritra iva, mba hanatrika ny matso lehibe izay fanao isan-taona eny amin’ny kianjaben’ny Mahamasina ny 26 jona. Ny azo antoka aloha hatreto raha ny fijoroana vavolom-belona nataona raimpianakaviana iray monina eto andrenivohitra dia eny amin’ireo sekolim-panjakana sasantsasany no misy ny fanerena mpianatra tsy maintsy hanotrona ny matso eny Mahamasina. Nisafidy ny tsy hitonona anarana moa ity raimpianakaviana iray ity ary nanazava fa misy ny CEG iray eto andrenivohitra ka ireo mpitantana mihitsy no manery ireo mpianatra hanotrona ny matso eny Mahamasina. Tsy mpanao fanadihadiana akory ny lehilahy na mpampianatra eo anivon’izany sekolim-panjakana izany fa ny zanany roa mianadahy izay mianatra ao amin’ity CEG ity no mitantara ny zavamisy. Raha ny fanazavana azo avy amin’ity raimpianakaviana ity hatrany dia hanaovana fampitandremana mihitsy ireo mpianatra sao sanatria tsy tonga eny Mahamasina amin’io andron’ny 26 jona io. Voalaza mihitsy aza fa hisy ny fanamariham-pahatongavana ho atao amin’io andro io ka raisina toy ny tsy tonga any an-tsekoly ny tsy fahatongavana amin’io andro io. Fomba ratsy fanao teto amin’ny firenena ny tahaka izany satria tokoa raha tsy rakotra mpijery ny kianjaben’ny Mahamasina ny 26 jona dia ny mpitondra amperinasa no ho afa-baraka satria ho hitam-poko hitam-pirenena ary ho hitan’izao tontolo izao fa tsy mamim-bahoaka intsony.

.