Loza lehibe mitaotao ho an’ny firenena ilay volavolan-dalàna mifehy ny fifandraisana ka tokony ho mailo ny rehetra hoy andriamatoa Eric Rakotomanga, talen’ny fanoratana eo anivon’ny gazety Imongo Vaovao sady filoha nasionaly ny antoko AKFM. Fanapenam-bava ny mpanao gazety sy ny olom-pirenena tsotra mba tsy hilaza ny marina no tena tanjon’ny fitondrana amin’ity volavolan-dalàna ity ary fomba fanaon’ireo mpitondra any amin’ireo firenena mpanao didy jadona ny famoahana lalàna toy izany hoy andriamatoa Eric Rakotomanga. Manoloana izany dia tokony hiray hina hanohitra ity volavolan-dalàna ity avokoa ny mpanao gazety matihanina rehetra eto amin’ny firenena na inona na inona fironana politika misy azy satria ny asa fanaovan-gazety mihitsy no hezahina potehina ankehitriny. Na izany aza dia tsy ny mpanao gazety irery ihany no tokony ho sarotiny amin’izany fanitsakitsahana ny asa fanaovan-gazety izany fa ny vahoaka ihany koa dia tokony hijoro satria isan’ireo zo fototra omen’ny lalam-panorenana azy ny fahafahana mahazo vaovao marina. Ho an’ny filoha nasionaly ny antoko AKFM dia paikady tsara indrindra mba tsy afahan’ity volavolan-dalàna ity manankery eto amin’ny firenena dia ny fandresena lahatra ireo solombavam-bahoaka mba tsy hankatoa azy. Misy hoy ity mpanao gazety ity ny solombavam-bahoaka maro maro izay manohitra an’ity volavolan-dalàna mifehy ny serasera ity kanefa mbola vitsy raha hampitahaina amin’ny isan’ireo solombavam-bahoaka mandrafitra ny antenimieram-pirenena. Rehefa tsy mamim-bahoaka intsony ny mpitondra amina firenena iray dia ny fanapenam-bava ny vahoaka sy ny mpanao gazety no fomba tsara indrindra hoy ihany andriamatoa Eric Rakotomanga.

Franck.T.