Ben’ ny tanàna efatra avy any Matsiatra Ambony no nasain’i ramatoa Claudine Razaimamonjy hanamarina fa tsy nisy ny fanodinkodinana volam-panjakana mitentina 396 492 444,00 ariary na 2 miliara fmg latsaka kely tokony hanavaozana ny tranon’ny kaominina ao Ambohimahamasina tamin’ny alalan’ny ministeran’ny atitany.

Tsy vita io asa io nefa noterena handrotsaka ny vola ao amin’ny kaontin’olona iray ingahy Tsabo Pierre izay nobaikoan’i Claudine, ka raha tsy nanaiky izany ity ben’ny tanàna ity dia ny minisitrin’ny atitany Solonandrasana Olivier Mahafaly mihitsy no nasain’ity ramatoa ity nibaiko indray an’ity ben’ny tanàna ity.

Tsy nanana safidy ingahy Tsabo Pierre ka dia nanaraka ny baiko. Ny vola narotsany ao amin’ny kaontin’olona tsy fantany io dia vola avy amin’ny ministeran’ny atitany izay eo ambany fitarihan’i Mahafaly Olivier Solonandrasana. Tsy nisy nokasihina ny asa na kely aza. Tonga tany tampoka ny avy ao amin’ny fisafoana ny asam-panjakana avy ao amin’ny “IGE” na ny “inspecteur génèral de l’Etat” ireny ny 29 oktobra 2015 ka tsy nahita ny asa nataon’ny orinasa izay olona napetrak’i Claudine. Teo anatrehan’izany dia nampanao “note de verification” na taratasy fangatahana fanazavana tamin’ity ben’ny tanàna ity ny IGE ireto, ka namaly izany ingahy Tsabo Pierre. Tamin’izany dia namaly izy fa hatramin’izao tsy nisy zavatra natao taty amin’ny kaominina rurale Ambohimahamasina. Marihiko fa i Madame Claudine no niantso ahy nampanao “virement”, fa tsy nanaiky aho. Avy eo dia Andriamatoa Minisitra (minisitrin’ny atitany) no nibaiko ahy hoe “araho ny baikoko”. Fiekena ny zavatra marina amin’ny fanodikodinam-bolam-panjakana nataon’ny minisitra sy ramatoa Claudine no nataon’i Tsabo Pierre Ben’ny tanàna ao ambohimahamasina ao amin’ny distrikan’Ambalavao ity tamin’izany .

Tamin’ny talata faha 14 jona 2016, dia niseho tamin’ny fahita lavitra iray tsy miakina eto Antananarivo ingahy Tsabo Pierre ity sy ny ben’ny tanàna telo hafa, dia ny ben’ny tanànan’Ambalavao sy Alakamisinitenina, ary Fenoarivo, izay samy avy any Ambalavao avokoa. Raha ny loharanom-baovao azo koa anefa dia mbola tsy vita araka ny tokony ho izy koa ny fotodrafitrasa natao tao amin’ireo kaominina ireo. Ny vola dia mbola toa ny tao Ambohimahamasina hatrany no fomba nanaovana azy.

Fantatra tamin’ity raharaha ity fa ampandaingana ireto ben’ny tanàna ireto. Nolokolokoina natao vonjy tavanandro ny asa tamin’ireo kaominina ireo ankehitriny mba hilazana fa vita ny asa. Izany anefa dia afaka iray taona mahery aty aorian’ny daty tokony hahavita ny asa ireo, ary rehefa nahita ny filazana an-gazety ity raharaha ity. Mazava ny porofo nolazain’ingahy Tsabo Pierre tamin’izy nanaovana famotorana voalohany fa tsy nisy zavatra natao tao amin’ny kaominina nisy azy tamin’io vola io. Indro ampahafantarina antsika ny taratasy “note de verification” tamin’izany fotoana izany, izay manamporofo fa nisy ny fanodinkodinana volam-panjakana.

JB