Nanaitra ny fanehoan-kevitry ny mpitondra-tenin’ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy (Ffm), Maka Alphonse, omaly tamin’ny onjam-peo tsy miankina iray eto andrenivohitra. Isan’ny nanehoany ny hevitry ny « Ffm » ny Raharaha Lylison, izay nanamarihany fa « tsy afaka miditra amin’io izahay satria misy fisaraham-pahefana eto, ka misy ny andraikitry ny fitsarana sy ny mpanatanteraka, izay tokony tsy hotsabatsabahin’ny hafa, ary efa eo ampelan-tanan’ny fitsarana izy io ka hajaina ny fahaleovantenany. » Mody nanamarina ny fanazavan’ny Mpanelanelan’ny Repoblika (Mediateur de la Republique) tamin’ny talata i Maka Alphone teo.

Nahavariana sady nanaitra ihany izany satria ny Ffm ange ka rafitra najoro hiditra an-tsehatra amin’ny raharaha politika mifangaro raharaham-pitsarana e ? Itodiho ny asa efa nandraisan’ny Ffm anjara fa resaka politika 100% fa tsy resaka varotra mofo gasy na lalao kanety, ka na olona nohelohin’ny fitsarana aza dia nidiran’ny Ffm ny fanelanelanana mba hahazo famotsoran-keloka. Sa izahay no diso fihevitra fa tsy nisy izany ?

Tsy hiditra lalina izahay eto hoe heloka toa inona no nidiran’ny Ffm fa milaza amin’ny ankapobeny ihany izahay. Na heloka voararan’ny lalàna fa tsy azo anomezana famotsoran-keloka toy ny fandatsahan-drà na fandripaham-bahoaka aza dia noresahin’ny Ffm. Satria ve tsy manohintohina ny tombontsoan’ny mpitondra Hvm izay miantoka ny vola hiasan’ny Ffm ? Aza hadinoina anefa fa volam-bahoaka no ampiasan’ny Hvm fa tsy volany manokana.

Matetika tokoa mantsy na indraindray dia matahotra ny ho tapaka fihinanana na tsy hahazo vola hiasana ny sokajin’olona sasany any amin’ireny rafitra isan-karazany ireny dia manodinkodin-dresaka ; toa te hiaro an’ilay fitondram-panjakana miantoka ny vola iasany sy ny vola hafa « mety hahatampi-maso ». Mba re ihany tokoa mantsy fa isan’ny nirahin’ny tompom-pahefana teny an-dapa nandamina ny raharaha tany Tsiroanomandidy ny olona sasany tao amin’ny Ffm tao, raha tsy nanaiky lembenana tamin’ny famonoana an’ireo mpihary omby ny havan’izy ireo, izay nitrangan’ny tsy fahitana voaka ny lohan’ny iray tamin’ireo mpihary omby novonoin’ny miaramilam-panjakana aza hatramin’izao. Tamin’izay, raha itodihana kely, dia tsy fandaminana inona no tena natao fa « fanampena-maso » tamin’ny « fividianana olona » ka ny avy any an-dapa no naniraka ny tao amin’ny Ffm hividy an’ireo mpihary omby.

Mampalahelo ange izany e !

Tsy azo sokajiana ho kolikoly ve izany, hoy ianao ? Dia izao indray ny raharaha Lylison, inian-dry zalahy ao amin’ny Ffm ialana andraikitra satria hoe « misy resaka politika ary efa mandray an-tanana ny raharaha ny fitsarana ».

Lokanga tsy atao re, rey vahoaka, ka mahabe voatavo ny an’ny Ffm e ! Inona moa io hoe «misy resaka politika » io ? Misy « tampi-maso » ve ?

Izany hoe raha ny tombontsoan’ny mitana ny fahefam-panjakana izay mampiasa volabe izany no mety ho voatohintohina, toa izao Raharaha Lylison izao, dia mody manampi-maso ny Ffm fa rehefa ny tombontsoan’ny mitana ny fahefam-panjakana mpanome vola tian-karovana voninahitra, toy ny raharaha Tsiroanomandidy, dia afaka manelanelana « mividy » izay mety ahiana hitraotra ny Ffm ?

Mampieritreritra ihany izany raharaha izany an !

Tsy aleo ve miandry ny rafitra vaovao hantsangan’ny lalàna vaovao momba ny Ffm vao mivolana fa tsy ny Ffm efa tsy dia manana andraikitra voalazan’ny lalàna intsony no miteny, ka manahirana e ? Sanatriavina toa lasa sehatra ikaramana an’ady fotsiny indray koa.

Ralay