Efa ho valo volana izao dia tsy nisy talem-pitantana intsony ny televizionina Malagasy na ny TVM eo Anosy. Tamin’ny voalohan’ny volana desambra 2015 na faraparan’ny volana novambra 2015 no nesorin’ny fanjakana HVM tamin’ny toerany ny tale teo aloha Lanto Malala Rasata. Hatramin’izay ka hatramin’izao, dia tsy nisy tale intsony ity orinasan-tserasera lehibe sy an’ny fanjakana ity. Mahagaga sy mahavariana ny fomba ataon’ny fanjakana amin’ity raharaha ity. Raha ny loharanom-baovao izay efa nolazainay teto amin’ity gazety ity volana vitsivitsy lasa izay dia ny talen’ny kabinetran’ny ministera sy ny tale iray ao amin’ny Rnm no toa mitantana ity TVM ity. Inona no antony tsy hanendren’ny minisitra ny tale vaovao hitantana ny TVM. Fa misy inona ao amin’ny TVM ao no atao toa izao ity orinasa ity ? Ny minisitra Andrianjato Vonison izay minisitrin’ny serasera amin’izao fotoana izao dia mahalala tsara io TVM sy RNM io. Misy kajikajy politika ve ao anatin’ity raharaha ity ? Sa ve dia tsy misy olona mahay intsony ao ka tokony hitantana io orinasa lehibe sy manana ny toerany amin’ny serasera eto amin’ny firenena io? Izahay avy aty ivelany dia mahalala fa betsaka amin’ny mpiasa ao no manana diplaoma sahaza izany, ary manana traikefa koa. Raha toa ka tsy misy azo itokisana intsony ao dia inona no tsy angalany olona avy aty ivelany. Azo atao izany, ary fomba fanao ihany koa. Toa fanalana baraka ny mpiasa manampahaizana ao amin’ny TVM anefa izany.
Mpiasa maro avy ao amin’ny TVM no tafaresaka taminay omaly alakamisy faha 16 jona 2016 tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany teo ho eo, izay nilaza fa tsy mety ny ataon’ny ministera amin’ny tsy fanendreny izay ho mpitantana ity orinasa ity. Tsy misy lohany ny TVM hoy ireto mpiasa ireto na dia miezaka aza ny mpiasa hampandeha azy. Tsapa dia tsapa ny fahabangana na dia mihaodihaody ao aza ireo olona voalaza fa miandraikitra ny asan’ny tale ireo. Marikin’ny tsy fisian’ny fitantanana ara-dalàna ataon’ny fanjakana ankehitriny izao mitranga ao amin’ny TVM izao ka rariny raha hitaraina ny mpiasa. Azo lazaina fa tsy manaram-penitra ny fitantanana ity orin’asa ity ankehitriny. Iza no horaisina raha toa ka misy ny zavatra tsy maintsy ilaina tale satria takian’ny rafitrin’ny orinasa rehetra eto Madagasikara izany ? Ny minisitra ve sa ny talen’ny kabinetra ?
Jesy Rabelaolao