Nolanian’ireo Loholona fahavalon’ny fahalalahana Demokratika tarihin’ny filohan’ny Antenimierandoholona, Rakotomanana Honoré, tamin’ny alarobia teo, ilay lalàna manapa-doha ny vahoaka malagasy, manomboka amin’ny mpanao gazety, dia ny lalàna momba ny serasera izany (Code de communication). Manapa-doha ny vahoaka izy io satria nomen’io lalàna io hasina ilay andininy faha-20 ao amin’ilay lalàna laharana 2014-006 izay miresaka ny « cybercriminalité ».
Nifanarahan’ny besinimaro izay niara-nandrafitra an’io volavolan-dalàna io tamin’ny taon-dasa 2015 fa io volavolan-dalàna io no manafoana an’io andininy faha-20 amin’ny lalàna 2014-006 io, izay mbola manindry ny fanasaziana amin’ny alalan’ny fanagadrana ny mpanao gazety na izay rehetra manohintohina ny voninahitry ny mpitondra na ny mpiasampanjakana. Mbola miaraka amin’ny sazy vola (lamandy) hatramin’ny 100 tapitrisa ariary izany.
Ny mpanao gazety aloha dia tsy hanaiky lembenana an’io, ka anio zoma maraina dia hiara-hanao rodobe hiazo ny lapan’ny Antenimierampirenena eny Tsimbazaza ka handresy lahatra an’ireo solombavambahoaka mba hitsipaka an’io lalàna mamoehitra amin’ny fahalalahana demokratika io eny.
Manantena an’ireo depiote fa tsy handraraka ilo mby an-doha ny maro, tsy ny mpanao gazety ihany, fa ny mpandala ny demokrasia sy ny fahalalahana maneho hevitra rehetra.
Tsy ho ambakan’ny Depiote tamin’ny faramparan’ny Repoblika faharoa mihitsy anie, ianareo mandrafitra ny Antenimierampirenena ankehitriny.
Tsiahivina fa tamin’ny taona 1990, raha nandinika sy naka ny fankatoavana ny lalàna momba ny serasera mbola manan-kery amin’izao fotoana, dia ilay lalàna 90-031, ny depiote teny Tsimbazaza, mbola tao anatin’ny vanim-potoana nampahamaivay ny Jadon’ny Amiraly Ratsiraka tamin’izany, dia nahavita nampahomby ny fanitsiana niisa 13 tamin’ireo 21 natolony ny Depiote tokana avy amin’ny Monima, Rakotondrasoava Géorges.
Tamin’izany dia Depiote Arema no namaritra ny 90%-n’ny toerana teny Tsimbazaza, nefa dia nanaiky nankato ny fanitsiana nentin’ny Depiote Mpanao Gazety Rakotondrasoava Géorges izy ireo. Volavolam-panitsiana niaraha-nikaon-doha tamin’ny fianakaviamben’ny mpanao gazety tamin’izany fotoana (Mompera Rémi Ralibera, Ralaiarijaona, James Ramarosaona…).
Ratsy lavitra noho io lalàna tafavoaka ka nanan-kery hatramin’ny 1991 no mankaty io ny volavolan-dalàna naroson’ny fitondrana Arema tamin’izany, saingy nahatsapa ny halehiben’ny fahalalahana demokratika ny Depiote teny Tsimbazaza, ka nanaiky ary nandany an’ireo volavolam-panitsiana 13 tamin’ireo 21 natolotra.
Antenain’ny maro fa tsy ho ambakan’ny depiote tamin’izany fotoana ny amin’izao fotoana amin’ny fiarovana izany fahalalahana demokratika izany. Ny mahasamihafa azy dia ny jadona politika no nisy tamin’izany saingy nampiseho ny fahatsapany ny farafahakeliny tokony hamelana ny asa fanaovan-gazety hanana fahalalahana ny depiote maro an’isa. Ny amin’izao fotoana indray dia ny jadon’ny vola amin’ny kolikoly avo lenta no mety hamatotra an’ireo depiote eny Tsimbazaza, saingy antenaina fa hahatsapa hatrany ny loza mitatao haterak’io andininy faha-20 amin’ny lalàna 2014-006 io ny depiote eny Tsimbazaza.
Mbola misy andininy sasantsasany ao amin’io volavolan-dalàna io koa itakiana ny fahatsiarovantenan’ny Depiote ka hiroso amin’ny fanitsiana azy satria tena sazy mamono ny asa fanaovan-gazety eto izy ireny, ka ampirisihana izy ireo, hijoro hanome hasina izany maha-olom-boafidy azy izany amin’ity indray mitoraka ity.
Faralahy