Teratany Malagasy iray izay monina any Limoge any Frantsa no naterin’ny polisy frantsay nody aty Madagasikara tamin’ity herinandro ity. Raha ny loharanom-baovao azo avy ao amin’ny mpitandro ny filaminana iray izay nahita ny fahatongavan’ity Malagasy sy polisy frantsay ity, dia efa notazonina vonjimaika ao amin’ny fonjan’Antanimora ilay tovolahy raha vao vita ny fombafomba fanao amin’izany, alohan’ny fitsarana azy. Voalaza fa nanaparitaka tamin’ny “face book” , ilay antsoina hoe “partage” na fizarana hevitra alefa amin’ny namana, na ny olona mifandray aminy rehetra mahakasika ny fomba fijeriny ny fivavahana silamo sy ny andraikitrin’ny Djihady na ireo silamo mahery fihetsika amin’ny asa fampihorohoroana misy any Erôpa sy any Frantsa amin’izao fotoana izao izy. Raha ny loharanom-baovao hatrany dia nilaza ity tovolahy Malagasy mipetraka any Limoge ity, fa ny adin’ireo silamo ireo dia ao anatin’ny finoany silamo ka atao hoe “geurre sainte” na “ady masina”. Rehefa avy nanaovan’ny polisy frantsay fanadihadiana ity tovolahy ity dia izao voaroaka tany Frantsa izao ary tsy mahazo mandia ny taniny intsony. Tsy vitan’izany fa mbola naterin’ny polisy frantsay aty Madagasikara koa, ka natolony ny fanjakana Malagasy. Ohatra iray azo tsapain-tanàna amin’ny ady ataon’ny frantsay sy ny erôpeanina amin’ny fampihorohoroana eo anatrehan’ny fanjakana silamo ity tranga ity. Na dia fantatra aza fa tsy mbola nisy fifandraisana tamin’ny djihadista ilay Malagasy ity dia nazava fa efa azony ny kolotsaina silamo izay efa mankasitraka ny ady masina na ny “geurre sainte”, ka mampanahy ny fanjakana frantsay fa ho isan’ny ho mpampihorohoro any aoriana any. Inoana fa tsy maintsy hilaza izany antony fampodiana azy avy any Frantsa izany amin’ny olona izay mifanerasera aminy ao am-ponja ao Antanimora ity Malagasy ity, ka tsy maintsy hitombo isa ny olona hahafantatra izany na te hahalala izany indray. Ao amin’ny fivavahana silamo dia voasoratra ao tokoa ny “ady masina “ ity. Rehefa vontompinoana dia manao ara-bakiteny izany voalaza izany. Dia mivadika kolotsaina izany aoriana kely. Miroborobo mafy ny fivavahana silamo eto Madagasikara ankehitriny. Porofon’izany ny faneken’ny fanjakana ankehitriny ny hanorenana “mosqué” na fiangonana silamo 2000 mahery eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Tsy ny fivavahana silamo no olana fa ny fihetsika ataon’ireo mpino silamo izany ao anatin’ny “djihad” no atahorana sy mampanahy mafy ny Malagasy maro ankehitriny. Raha tany amin’ny faritra avaratra sy avaratra-andrefana no tena nahitana silamo be dia be hatramin’izay, ary Antananarivo, izay marihina fa tsy mbola nisy tafiditra tao anatin’ny asa fampihorohoroana izany, dia efa ahitana mpino silamo koa ny faritra maro ankehitriny. Ny any amin’ny faritra Atsimo-Atsinanana manontolo dia efa feno malagasy mpino silamo ankehitriny. Eny amin’ny seranam-piaramanidina eny Ivato dia tsikaritra ankehitriny fa maro no silamo tonga avy any ivelany eto Madagasikara. Aoka tsy hadika ho tsy fitiavana ny silamo sy ny fivavahana silamo ity lahatsoratra ity fa fampieritreretana sy ho fisorohana mialoha ny tsy hisian’ny asa fampihorohoroana eto Madagasikara, ka ho filazana ny zava-misy fotsiny ihany, satria nampieritreritra ilay Malagasy nipetraka any Limoge any Frantsa izay naverin’ny polisy frantsay aty antanindrazana izao. Raha toa ka efa toe-tsaina nentiny avy aty Madagasikara ny fanaparitahany ilay “ady masina” izay nahavoaroaka azy tany Frantsa, dia midika izany fa efa andairan’ny fotompisainana “djihadisma” na silamo mahery fihetsika ity tovolahy ity teto Madagasikara. Raha toa ka tany Frantsa no nahazoany izany toe-tsaina izany dia tokony hitandrina amin’ny Malagasy mipetraka any ivelany ny fanjakana. Efa hatramin’ny ela no nisy silamo teto Madagasikara nefa mbola tsy nisy ny “djihady” izy ireo.

JB