Tsy misy ny mpampiasa ny fifamoivoizana ka tsy mitaraina manoloana ny fitohanana misy eto andrenivohitra amin’izao fotoana izao. Ny faharatsian’ny lalana, ny fahamaroan’ny fiara mivezivezy sy ireo mpivarotra amoron-dalana tsy ara-dalàna dia efa mahatonga ny fitohanana diso tafahoatra amin’ny faritra maro eto Antananarivo. Mbola ho mafy anefa ny miandry ny mponina eto andrenivohitra satria nanomboka ny alarobia 15 jona lasa teo dia tapaka ny lalana eny amin’ny araben’ny fahaleovantena noho ireo hetsika sy lanonana maro samihafa tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny fetim-pirenena izay karakarain’ny eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Fahatapahan-dàlana izay vaomaika mampitombo ny fitohanana, indrindra amin’ireo faritra manodidina an’Analakely.
Ny ankamaroan’ireo mpamily fiara mampiasa ny fifamoivoizana dia tsy mankasitraka an’izao fanapaha-kevitra noraisin’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo izao. Efa mampiteny ny moana ny fitohanana nisy teo aloha kanefa mbola mihamafy izany ankehitriny hoy ireo mpamily nanontaniana. Ireo fiaram-pitanterana, indrindra fa ireo fiara Taxi dia nanambara fa mihena ny vola miditra amin’izy ireo nanomboka ny alarobia lasa teo noho izay fitohanana diso tafahoatra izay. Raha tena tsy maintsy natao ihany ireo lanonana ho fankalazana ny fetim-pirenena ireo tokony natao tamin’ny toerana tsy hanelingelina ny fivezivezen’ny fiara. Raha ny fandaraham-potoana moa dia aharitra hatramin’ny faha 30 jona izao izay fahatapahan-dalana izay. Marihina fa anisan’ireo olana lehibe ihainan’ny mponina eto andrenivohitra ity resaka fitohanan’ny fiara ity. Samy nilaza ny hitady vahaolana mba hiadiana amin’ity fitohanana eto andrenivohitra ity moa ireo ben’ny tanàna na filohan’ny delegasionina manokana nitantana ity renivohatr’i Madagasikara ity, kanefa tsy nisy nahavita nahamaha ny olana.