Tafalatsaka ao anaty fahantrana lalina ny firenena ankehitriny ka mitaky fandraisana andraikitra avy amin’ny rehetra hoy ny holafitry ny “expert comptable” eto Madagasikara (OECFM). Rehefa miasa tsara na manantanteraka ny asany araka ny tokony ho izy, tahaka ny any amin’ireo firenena mandroso, ireo manam-pahaizana manokana amin’ny fanisam-bola dia mandroso ny toekaren’ny firenena iray hoy ihany ny OECFM raha nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety tetsy amin’ny foiben’ny SONAPAR etsy Andraharo omaly. Ny olana eto Madagasikara ankehitriny dia mbola vitsy ireo orinasa tsy miankina na sampandraharaham-panjakana no tsy mahalala ny tombotsoa azo avy amin’ny fampiasàna ireo “expert comptable” manamarina na mikajy ny kaontim-bola ao aminy. Betsaka ny lesoka sy ny tsy fanjariana amin’ny fitantanana ny vola eo anivon’ireo sampandraharaham-panjakana samihafa misy eto amin’ny firenena ka manana ny fahaiza-manao hiadiana amin’izany ireo “expert comptable” raha ny fanazavana azo.

Latsaka kely ny 200 amin’izao fotoana izao ny isan’ireo matihanina amin’ny fanisam-bola no mpikambana ao anatin’ny OEFCM kanefa tsy ampy izany isa izany raha hampitahaina amin’ny isan’ireo orinasa misy eto amin’ny firenena. Tanjon’ny holafitry ny “expert comptable” Malagasy ny hampitombo an’io isa io amin’ny alalan’ny fanofanana ireo mpianatra ho matihanina eo amin’ity sehatra ity. Raha ho an’i Madagasikara manokana dia mbola vitsy ireo tena mahalala tsara ny asan’ny “expert comptable” ary matetika dia ampifangaroana ny “Comptable” sy “Expert comptable” izay samy manana ny mampiavaka azy raha nambaran’ny filohan’ny OECFM, andriamatoa Jaona Ely Rajeriarinalina. Manoloana izany indrindra dia hiezaka ny hampahafantatra bebe kokoa ny asan’izy ireo sy ny tombotsoa amin’ny fampiasàna azy ireo ireto manam-pahaizana manokana ireto.

Marihana fa ny faran’ny volana oktobra amin’ity taona ity dia hampiatrano ny andiany faha 16 ny fihaonamben’ny FIDEF na ny fikambanana iraisam-pirenena hivondronan’ireo expert comptable mampiasa ny fiteny frantsay maneran-tany i Madagasikara. Fihaonambe izay natao hifanakalozan-kevitra sy traikefa ary natao handinihana ny hoavin’ity asa ity amin’ireo firenena mpandray anjara. Mpikambana feno ao anatin’ny FIDEF ny OECFM ary anisan’ireo fikambanana nanorina ity fikambanana iraisam-pirenena ity.

Frank.T.

Polisy: Hapetraka tsy ho ela ny birao miandraikitra ny « cybercriminalité »

Miomana fatratra amin’ny fametrahana ny sampan-draharaha miandraikitra ny « cybercriminalité » ao amin’ny polisim-pirenena eo Anosy amin’izao fotoana izao ny ministeran’ny filaminam-bahoaka. Raha ny loharanom-baovao azonay izay mari-pototra dia tsy ho ela dia hiasa ity sampan-draharaha ity. Hiady amin’ny asa fampihorohoroana izay mananontanona an’i Madagasikara amin’izao fotoana izao sa hatao hery famoretan’ny fanjakana amin’ny hiadiana amin’ny mpanao gazety tsy hilaza ny zavamisy tena marina eto amin’ny firenena mahakasika ny zavatra tsy mety ataon’ireo mpitondra ambony. Miteraka resabe ankehitriny ny andininy faha 20 amin’ny « cybercriminalité », ka tsy manaiky izany ny mpanao gazety. Ny fanjakana milaza fa hanafoana io nefa tsy mbola nanatanteraka izany. Ny fomba nifidianana ity lalàna ity teny amin’ny antenimierandoholona dia efa niteraka olana. Azo lazaina fa mihemotra tanteraka ny demôkrasia eto Madagasikara ankehitriny. Ity lalàna ity dia azo lazaina fa tetika iray izay ho entin’ny fanjakana hanatanterahana ny firosoana amin’ny fanjakana jadona. Ho hitantsika eo ny tohiny

J.B.