Nitohy omaly teny amin’ny Lapan’ny Antenimierampirenena teny Tsimbazaza ny hetsiky ny mpanao gazety momba ny fitakian’izy ireo momba ilay rijan-teny voarafitra nandritra ny atrik’asa fandravonana niarahan’ny mpisehatra amin’ny tontolon’ny serasera sy ny manam-pahaizana isan-tokony mbamin’ny solon-tenam-panjakana no haroso hankatoavin’ny parlemanta amin’ilay fehezan-dalàna momba ny fifandraisana (Projet de Code de communication).

Ny governemanta moa no niaingan’ny antontan-taratasy, raha tsiahivina, amin’ny fandefasana azy teny amin’ny Antenimieran-doholona ka nahatonga ny ady hevitra be amin’izao fotoana satria nisy nanova (governemanta) ilay rijan-teny voarafitra , ary tena fiovana goavana satria ny foto-kevitry ny tontolon’ny raharahan-gazety amin’izao fotoana dia hoe « tsy misy fanasaziana fampidirana am-ponja mpanao gazety intsony amin’ny fandikan-dalàna mety ho vitany amin’ny lahatsoratra navoakany an-gazety na teny nampitainy tamin’ny radio na fahitalavitra… ». Dia niombonan-kevitra fa « foanana amin’ny alalan’io rijan-teny io izay heloka manasazy ka mampiditra am-ponja mpanao gazety izay ». Noesorin’ny governemanta izany ka naman’ny mbola mitoetra ho loza mitatao amin’ny tontolon’ny fanaovan-gazety io lalàna io (2014-006 momba ny cybercriminalité).

Nohazavaina teo anoloan’ny mpikambana sasantsasany ao amin’ny birao maharitry ny Antenimieram-pirenena, izay notarihin’ny filohany, Jean Max Rakotomamonjy, izany omaly. Niezaka ny solontenan’ny mpanao gazety noraisin’izy ireo nandresy lahatra sy nanazava tamin’ny antsipirihany ny foto-kevitra tokony hajaina.

Nisy solontenan’ny olona mampiasa ny tambajotran-tserasera (facebook) koa tonga nandray anjara tamin’io fihaonana teny Tsimbazaza io, ka nanazava ny fitsipahan-dry zareo koa ny andininy faha-20 ao amin’ilay lalàna 2014-006 izy.

Raha nandray fitenenana moa ny filohan’ny Antenimierampirenena dia nanipika fa « lapan’ny vahoaka ity ka tsy mialon-jafy, ary fidodododoan’ny rehetra izay manana ny marary sy manana ny hetahetany, ary adidinay ny mihaino izany fitarainana sy vonjy ilain’ny vahoaka izany ».

Avy hatrany aloha teo , rehefa vita ny fanazavana avy amin’ny mpanao gazety dia naka toky ny mpanao gazety hoe « mba tsy sanatria ho fandaniana andro fotsiny ny resantsika teto dia te haka antoka aminareo izahay raha afaka manantena fa hanampy anay mpanao gazety mba hampahomby ny fitakianay ianareo depiote ». Nanaiky ireo nihaona tamin’ny solontenan’ny mpanao gazety tao.

Fa taorian’io, maromaro ireo depiote tafaresaka taminay, ka na ny avy amin’ny Hvm, na ny avy amin’ny Mapar, ny avy amin’ny Tim, ny avy amin’ny Mmm, ny avy amin’ny Leader Fanilo, ny tsy miankina…, dia samy nilaza fa « hiezaka hanao izay hampahomby ny fitakianareo mpanao gazety izahay, ary  hiezaka handresy lahatra an’ireo maro an’isa ato amin’ny Antenimieram-pirenena, satria tombontsoan’ny firenena no fonosin’ny fitakianareo mpanao gazety ».

Ralay