Efa ho iray volana sy tapany izao no nisokafan’ny fivoriana ara-potoana voalohany teo anivon’ny Antenimieram-pirenena kanefa saritsarina lalàna miisa roa ihany no nankatoavin’ireo solombavambahoaka. Ny fahefana mpanantanteraka mihitsy no tsy mahavita ny asany ka mila ravàna raha ny hevitry ny solombavam-bahoaka voafidy tany Mahajanga avy amin’ny vondrona Mapar, ramatoa Rahantanirina Lalao na fantatry ny maro amin’ny anarana hoe Depiote Nina. Ny fahavitsian’ny volavolan-dalàna nodinihana sy nolaniana eo anivon’ny Antenimieram-pirenena dia mampiseho fa tsy miasa araka ny tokony ho izy ny governemanta ary tsy mieritreritra ny hamaha ireo olana rehetra izay mampikaikaika ny vahoaka amin’ny fiainana andavan’andro.
Tsy ny governemanta tarian’andriamatoa Mahafaly Solonandrasana Olivier ihany anefa no mila fandravàna fa tokony hametra-pialàna koa ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina noho ny tsy fahombiazana eo amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena raha nambaran’ny depiote Nina. Rehefa rava ireo andripanjakana roa voalaza tetsy ambony ireo dia mazava ho azy fa hatramin’ny Antenimieran-doholona sy ny Antenimieram-pirenena dia tokony ho rava avokoa. Ny firosoana amin’ny fifidianana mialohan’ny fotoana no vahaolana ho an’ity firenena Malagasy ity ary tsy matahotra ny hiroso amin’izany ny vondrona politika Mapar hoy ihany fanazavana nomen’ity solombavambahoaka voafidy tany Mahajanga ity.
Frank.T.
Kaominina Manandona: Mirongatra indray ny halatr’omby
Tato ho ato dia mba nitsahatra kely ny asan-dahalo tao amin’ity kaominina ambanivotra ao amin’ny faritra Atsimo ny distrika Antsirabe II..
Fa nivadika indray ny rasa tato ho ato ka mamely indray ny dahalo. Ny omby no tena lasibatra amin’izany. Valan’omby an’ny tokatrano 6 no indray lasan’ireo dahalo.
Rehefa natao ny fanarahana ny dian’izy ireo dia nizotra nakany Bemaha no lalan’ireo dahalo kanefa dia very anjavony ary tsy hita intsony sy tsy miverina fa nafoy daholo ireo omby. Mafy amin’ny olona no very omby satria harena sy mpanampy amin’ny fiainana andavan’andro ny omby. Na izany aza dia miezaka manohitra ny fokonolona kanefa hery tsy mitovy fa ny an’ny dahalo fiadiana manaram-penitra no entiny manafika raha tanam-polo kosa ny an’ny fokonolona. Vokatr’izany dia miraviravy tanana ny mpiompy fa tsy afa-manoatra. Misy ny fiaraha-miasa amin’ny mpitandro filaminana saingy vitsy noho ny dahalo. Nambaran’ny olona avy any an-toerana fa misy olona miray petsapetsa amin’ireto dahalo ireto matoa fantatr’izy ireo ny toerana misy ny omby angalarina.
Abel Ratsimbazafy