Ny komitin’ny fankalazana ny tsingerin-taona faha-60-n’ny Gazety TELONOHOREFY dia maneho etoana ny fisaorana sy fankasitrahana eram-po eran-tsaina an’ireo rehetra tonga nifanotrona sy naneho fitiavana tamin’ny lanonana fankalazana ny tsingerin-taona faha-60-n’ny gazety teny amin’ny Hotely Panorama ny sabotsy faha-11 jona teo. Ankasitrahana koa ny rehetra nandray anjara ka nahatontosana ny valan-dresaka narahina ady hevitra, niarahana tamin’ny mpianatra ao amin’ny sampam-piofanana momba ny serasera eny amin’ny Oniversiten’Ankatso ny alarobia faha-8 jona tolakandro.
Tsy hainay ny tsy haneho fisaorana manokana an’ireto tanisaina manaraka ireto, noho ny tolo-tanana nataon’izy ireo tamin’ny nenti-nanana ny hetsika natao.
- Ny Solombavambahoaka Rasolonjatovo Honoré
- Ny Solombavambahoaka Ravelohanitra Nirina
- Savonnerie Tropicale
-Fiantohana MAMA
-La Gazette de la Grande Ile
-Aiko Production
- Ranjatohery Harilala, Filohan’ny Komitin’ny fankalazana ny faha-150 Taonan’ny Gazety Malagasy
Teo koa ireo malala-tanana tsy te hitonona anarana.
Mankasitraka sy mankatelina anareo rehetra, tompoko, izahay, ary mirary soa sy fahombiazana ho anareo amin’izay hatao rehetra. Ho fanoitran’ny fahombiazan’ny Tolona ijoroan’ny Gazety Telonohorefy, anie, ny nataonareo, mba hisitrahan’ny vahoaka Malagasy ny voka-tsoa avy amin’ny fifanomezantsika tanana sy fanehoantsika firaisan-kina.
A.a-n’ny Komitin’ny fankalazana
RAKOTONDRASOAVA Mamy
RAKOTONDRABARY Dollfus
ANDRIAMAROTAFIKA Soava