Mitaraina ny mpiasan’ny kaominina ao Sakaraha fa tao anatin’ny efa-bolana dia tsy nandray karama izy ireo. Amin’ity volana jona 2016 ity dia mbola tsy azo antoka ny handraisan’izy ireo karama. Tsy misy tokyhatramin’izao ny tokony handraisana karama hoy ireto mpiasa ireto.
Mbola loza be noho izany koa anefa no mahazo ireo sefom-pokontany manerana ny distrika satria tao anatin’ny 16 volana izay dia tsy nandray tambikarama koa izy ireo. Mitaraina mafy noho izany ireto olona ireto. Mahatsapa ny olona any amin’ny distrikan’i Sakaraha fa tsy misy fikarakarana mihitsy ny solontenan’ny vahoaka any ifotony. Tsy alefan’ny ministeran’ny atitany ny vola fanampiana izay tokony handoavana ny karaman’izy ireo. Ny raharaha toa izao matetika no mampahazo vahana ny kolikoly, na eo anivon’ny kaominina izany na eny amin’ny fokontany. Tsy ny any amin’ny distrikan’i Sakaraha irery no manana olana toa izao fa saika manerana an’i Madagasikara. Izany no isan’ny nahatonga ny ben’ny tanàna any amin’ny kaominina tao Vatovavy Fitovinany nanambara fa raha tsy voaloan’ny fanjakana ny fanampiana tokony ho azy ireo alohan’ny 15 jona 2016 lasa teo dia tsy hanangatsaina izy ireo amin’ny fetin’ny fahaleovantena 2016 izao, ary tsy hikabary koa.
J.B.