Dia notontosaina teny amin’ny lapan’ny Antenimierampirenena omaly ny fifanatrehan’ny solombavambahoaka sy ny mpikambana ao amin’ny Governemanta izay notarihin’ny Praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier. Fihaonana izay nofaritan’ny lalampanorenana fa atao isaky ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimierampirenena. Tatitry ny asa vitan’ny governemanta no atao amin’izany, ary mametraka fanontaniana sy mangataka fanazavana avy eo ny solombava. Natao tokoa izany omaly, ka ireo zavatra vitan’ny fitondrana tany amin’ny faritra isan-tokony tany no notanisain’ny praiminisitra. Rehefa nandray fitenenana moa ireo solombava dia saika nitoraka voninkazo sy nidera ary nankasitraka ny « zava-bita ».
Dia tsikaritra tamin’ny fomba fanehoan-kevitra nataon’ny solombava fa « afa-po » tamin’ny asa nataon’ny governemanta ry zareo. Nisy ihany koa moa ny fanampim-pangatahana, izay raha ny fomba nanehoan’ny solombava azy dia karazana fangatahana « famindram-po » raha mety fa tsy noheverin-dry zareo ho zon’ny vahoaka ny mahazo azy, toy ny fiheverana ny fampivainganana ny fandriampahalemana, ny fanamboarana lalana, ny fanatsarana ny fotodrafitrasa isan-karazany, sy ny maro tsy ho voatanisa.
Tsikaritra koa fa solombavan’ny faritra izay nahavoafidy azy ireo mandrafitra ny Antenimierampirenena fa tsy ahitana taratra ny maha-solombavan’i Madagasikara azy. Izany hoe tsy dia nisy nanana fomba fijery mihevitra ny tombontsoa iombonan’i Madagasikara sy ny vahoaka amin’ny ankapobeny.
Tena tsy iambahambana anefa ny milaza fa raha tena solombava mikendry ny tombontsoan’ny vahoaka malagasy no mandrafitra ny Antenimierampirenena, eny na ny tombontsoan’ny vahoaka any amin’ny faritra nahavoafidy azy ihany koa aza no tena imasoany, dia ho hain-dry zareo ny nanavaka ny hoe « ireny zava-bita notanisain’ny Praiminisitra Mahalafy ireny ve no tena tokony ho izy ? » Raha nanao tohadrano amin’ny kaomina iray ny fitondrana, ohatra, ka nahavita izany, azo itarafana ve izany fa tena nanao izy ary tena nahavita ?
Raha ny filan’ny vahoaka sy ny nampangetaheta azy tokoa mantsy no tanjona dia tsy tohadrano iray no mahafa-po ny solombava voafidy tao fa telo na efatra, dia ho voaantoka ny fanondrahana ny velaran-tany rehetra ho amin’ny fambolena, ohatra. Raha trano sekoly iray no vita tao amin’ny kaomina iray dia tokony hitaky ny solombava hoe « tsy ampy ny vahoaka io fa ataovy iray isaky ny fokontany roa na telo. Izany hoe tokony hisy sekoly 6 na 7 vita izany. Mety hisy hilaza hoe « ka tsy misy ny vola ». Dia eo no miditra an-tsehatra ny solombava hoe « ka ny harenantsika avelanareo mpitondra hanjakan’ny vahiny sy ny gaboraraka nefa ireny harenantsika ireny no tokony hahafahana miantoka ny fanatanterahana izany filan’ny vahoaka izany fa tsy tampi-maso sy politikan’ny seho ivelany no ifanatrehana eto Tsilmbazaza eto. » Tsy nisy koa na depiote iray aza omaly mba niresaka ny politika ankapobeny itondran’ny governemanta izao firenena izao. Tsy nisy nanontany hoe « nahoana isika no ho faty ankazotokana amin’ireo mpamatsy vola vahiny ireo nefa ny harenantsika jeren’izy ireo fotsiny ny fandrobana azy, izay tokony hahasolo toerana an-dry zareo mihitsy amin’ny loharanom-bola hampandrosoana ny firenena ». Tsy nisy tao na depiote iray aza mba nitaky vokatra mivaingana ho famongorana ny kolikoly avo lenta any an-dapa any, ho fanoitran’ny tena fampandrosoana marina. Tsy nisy na depiote iray aza nanakiana ny fitondram-panjakana izay tsy mba mahavita mifehy ny gaboraraka amin’ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany tsy misy fepetra eto, sy ny maro tsy ho voatanisa e !
Izany no mahatonga anay hilaza fa « mbola hahantra ihany ny mahantra » satria fitondram-panjakana tsy hikatsaka ny tena tombontsoam-bahoaka izany no misy eto.
Ralay