Nandriaka indray ny rà tany amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy, omaly. Olona manodidina ny 30 no maty, nandritran’ny fanafihana nataona andian-dahalo mitam-piadiana mahery vaika, tao Berenty, ao amin’ny distrikan’i Beroroha, faritra Atsimo Andrefana. Raha ny fanazavana nomen’ny solombavam-bahoaka voafidy tao Beroroha, ramatoa Razafindrakoto Harifanja, izay nampita ny vaovao, dia manodidina ny 70 teo ho eo, ny isan’ireo dahalo nanafika tamin’io fotoana io. Fiara iray, nitondra miaramila maromaro avy ao amin’ny 503ème compagnie ao Beroroha, no lasibatr’ireo dahalo voalohany , omaly tokony ho tamin’ny 8 ora maraina. Tsy nanapo na inona na inona moa ireto miaramila nandeha fiara ireto, no avy hatrany dia notifirin’ireo dahalo, izay efa niandry kendry tohana azy ireo. Voalaza fa miaramila 3 no naratra ary iray no maty, vokatry ny tifitra variraraka nataon’ireo dahalo. Tsy afaka nanohitra moa ireto miaramila ireto noho ny fahamaroan’ireo olon-dratsy, ka voatery nitsaoka.
Tsy nijanona teo ihany anefa ny fanafihana nataon’ireo dahalo. Ora vitsy monja, tao aorian’izay fanafihana voalohany izay, dia fiara taxibrosy, mampitohy an’i Beroroha sy Toliara indray no lasibatr’ireo dahalo. Avy hatrany dia tifitra variraraka no nahazo ilay fiara “taxi-brousse”, ka mpandeha miisa 3 sisa no velona, 30 kosa no lavo teo no eo, raha ny fampitam-baovao nataon’ny solombavambahoaka voafidy tany an-toerana. Raha ny fantatra, dia efa nidina any Berenty, nanampy ireo mpitandron’ny filaminana any an-toerana, ny zandary avy ao Sakaraha. Azo ambara fa ity no fanafihan-dahalo nahafaty olona be indrindra, tany amin’ny tapany atsimon’ny Nosy iny, taorian’ny fanafihana nataon’ireo tarik’i Remenabila, tamin’ny fotoan’androny. Marihana fa isan’ireo faritra, nanaovan’ny mpitandro ny filaminana hetsika fampandrian-tany lehibe, isan’izany ny “operation tandroka” sy ny “operation fahalemana”, ny faritr’i Beroroha sy Ankazoabo Atsimo. Raha ny hita aloha hatreto, dia toy ny tsy nisy vokany izany satria dia mbola mitohy hatrany ny asan-dahalo, any amin’iny faritra Atsimo andrefan’ny Nosy iny.
Frank.T.