Nahavoatifitra olona adala ny zandary avy ao Ambatofinandrahana omaly talata faha 21 jona 2016 tokony ho tamin’ny 3 ora tolakandro. Tovolahy iray antsoina hoe Richard izay tsaboina tao amin’ny toby loterana fitsaboina ireo olona manana aretin-tsaina ao Sambalahy ao Ambatofinandrahana no maty ity. Nandositra avy any amin’ny toby ity tovolahy ity. Tonga tao amin’ny tanàna antsoina hoe Vohidroa izay nihaviany, dia nanakorontana tao amin’ity tanàna ity. Niantso polisy ny olona teo amin’ity toerana ity. Rehefa tonga ny polisy izay nafarana ka nahita fa olona adala ilay niantsoana azy ireo, dia nilaza fa ampanatero ny fianakaviany miverina any amin’ny toby ity tovolahy ity. Rehefa niverina ireo polisy ireo namonjy ny toerana fiasany dia nandositra indray ilay adala. Namonjy ny fiangonana FJKM ao Ambatofinandrahana izay fivavahany izy. Niditra tao amin’ny tranon’ny pasitera ity tovolahy adala ity. Nakorontany ity trano ity ka niantso ny zandary izay teo akaiky teo ny vadin’ilay pastera satria hono noheveriny fa dahalo nanafika ny tranony. Tonga ny zandary dia avy hatrany dia nitifitra. Nitarika izany ny komandy ny kompania ao amin’ny zandary ao Ambatofinandrahana. Maty tsy tra-drano i Richard marary saina ity. Tamin’izany vao fantatrin’ny zandary fa kay olona adala ilay niantsoana azy ka natao hoe dahalo. Miteraka resabe ao Ambatofinandrahana ity raharaha ity amin’izao fotoana izao. Misy ny milaza fa efa nilaza ny anabavin’ity olona adala ity fa marary saina io olona io ka aza vonoina. Misy indray ny miteny fa noho ny tsy fahafatarana no nitifiran’ny zandary azy, satria dia toa ireny olona hanafika trano ireny no nataony. Amin’izao fotoana izao dia mirongatra izay tsy izy ny asan-dahalo aty Ambatofinandrahana. Azo lazaina fa vokatrin’ny fikorontanana aram-piarahamonina izao nahafatesana olona adala tsy nampoizina izay nataon’ny zandary ao Ambatofinandrahana izao.
Jesy Rabelaolao