Mikatso tanteraka ny raharaham-pirenena, tsy mety tafavoaka ao anaty krizy ny firenena, ka mila handraisana vahaolana ao anatin’ny fotoana fohy, hoy andriamatoa Jean Désiré Ranaivoson, administratera sivily, kandida ho loholona ho an’ny faritan’Antananarivo, tamin’ny fifidianana natao ny volana desambra lasa teo.
Ny firosoana amin’ny fifidianana mialohan’ny fotoana, araka ny fangatahana ataon’ireo antoko politika sasantsasany, dia tsy hamaha ny olana eto amin’ny firenena. Ny antony, hoy andriamatoa Jean Désiré Ranaivoson, dia tsy misy ny antoka fa tena hijery ny fahasahiranam-bahoaka tokoa ny filoha ho voafidy manaraka eo. Soso-kevitra haroson’ity mpanao politika ity, dia ny firosoana amin’ny fihaonambem-pirenena tena izy, izay handraisan’ireo hery velona rehetra eto amin’ny firenena anjara. Ao anatin’io fihaonambe io no tokony handinihana ny fomba hamahana ny krizy handalovan’ny firenena sy ny momba ireo olana rehetra, miteraka disadisa eo anivon’ny fiarahamonina. Anisan’ny teboka lehibe tsy maintsy hiarahana midinika maika, ny momba ireo fitrandrahana harena ankibon’ny tany, ataon’ireo orinasa vahiny manerana ny Nosy. Tokony hivoaka amin’io fihaonambem-pirenena io ihany koa, ny karazana dinam-piarahamonina, izay hifamatoran’ny vahoaka sy ny mpitondra. Tsy afaka ny hanao izay danin’ny kibony intsony ny filoham-pirenena rehefa mipetraka izay dinam-piarahamonina izay, hoy ihany i Ranaivoson Jean Désiré.
Raharaha Soamahamanina: Afa-baraka ny minisitra Andrianjato Vonison
Endrika farantampon’ny demokrasia mivantana nasehon’ny vahoakan’i Soamahamanina any Miarinarivo Itasy ho fiarovany ny harenany no niseho tany an-toerana ny alatsinainy teo, ho fanoheran’izy ireo ny tetika maloto miharo tsikombakomban’ny mpitondra fanjakana amin’ny vahiny.
Nijoro nitaky ny fandroahana an’ireo vahiny nomen’ny fanjakana alalana hitrandraka ny harena any ny vahoaka. Voatondro ho isan’ny mitsikombakomba sy manome vahana an’ireto vahiny hanao izay mahadiavolana ny fony ny tompomenakelin’ny fitondrana foibe any an-toerana.
Rehefa tsapan’ny vahoaka fa ho loza mitatao ho azy io tetik’asa io, nefa tsy misy vahaolana setriny akory mba hiantohan’izy ireo ny ho aviny sy ny fihariany dia mijoro toa ireny tamin’ny alatsinainy ireny ireo vahoaka.
Manomboka mahatsiaro tena ny vahoaka tantsaha ka tsy manaiky hotaingenam-bozona intsony.
Hita taratra tany Soamahamanina koa fa tofoka amin’ny fihetsika amam-pitondran’ny mitana ny fahefam-panjakana ny vahoaka tantsaha fa tsy araka ny fiheverana azy hatramin’izay hoe « mangina » sy « manompo izay eo ». Tsapa koa fa ny mpitarika no tsy misy matoa mangina sy miharitra ny mafy ny vahoaka. Tsy amin’ny maha-mpitondra fivavahana an’ireo ray amandreny ara-panahy avy amin’ny fiangonana katolika fa isan’ny ahitana taratra ny efa fahafenoan’ny kapoaka mangidy eo amin’ny vahoaka iny fijoroan’ny mponina tany Soamahamanina iny.
Ny nivandravandra aloha dia ny fahafaham-barakan’ny minisitry ny serasera, Andrianjato Vonison Razafindambo, izay efa olom-boafidy avy amin’iny faritr’Itasy iny, nefa tsy mba re nijoro tamin’ity raharaha ity, mba miara-miaro ny harem-pirenena sy ny tombontsoan’ny vahoaka niaraka tamin’ny mponina tany an-toerana.
Voaporofon’iny hetsi-bahoaka tany Soamahamanina tamin’ny alatsinainy iny indray fa « voky izy dia natory », raha ny Minisitra Andrianjato Vonison, no resahina.