Ampisavorovoroan’ny Fianakaviambe iraisampirenena ny sain’ny olona sasany eto Madagasikara amin’ity resaka hoe « sazy » sy « tsy mahazo famatsiam-bola » ity, raha manao fanovana mpitondra ivelan’ny voalazan’ny lalampanorenana. Izany hoe raha tsy amin’ny alalan’ny fifidianana. Dia atao litania etsy sy eroa ny olana nateraky ny rafitra tetezamita farany teo, izay nambara sy anaovana angoan-tenda isanandro hoe « niteraka krizy lavareny teto ».

Etsy an-kilany, maro amin’ny vahoaka malagasy no tsy mahazaka na tsy afaka hiandry intsony an’izany fifidianana amin’ny 2018 izany satria mahatsiaro fa tena efa mihatra aman’aina ny vokatry ny tsy fahombiazan’ny fitondrana misy amin’izao fotoana. Mila maka fanapahan-kevitra entitra izany ny vahoaka, ka na hiharitra ny fahoriana sy fijaliana mbamin’ny fahantrana maningotra aina eto mandra-pahatongan’ny taona 2018, na mandray fanapahan-kevitra fa hiroso amin’ny fanilihana izao fitondrana mamono izao. Raha ny marina aloha, aoka tsy hifanilika andraikitra, dia nandritra ny 56 taona, raha tsy hiresaka ny tamin’ny fanjanahan-tany isika, no nianjadian’ny krizy ny fiainam-bahoaka. Niezaka nihoitra ihany ny maro isaky ny fotoana heveriny fa mahafeno ny fepetra. Isan’izany voalohany indrindra ny tamin’ny taona 1971 sy 1972. Vita ny nanilika ny mpitondra Pisodia, fa kinga ny frantsay nametraka ny olony. Dia niverina indray ny krizy, ka aty amin’ny taona 1991 vao feno indray ny fepetra nanentana ny vahoaka hanohy ny tolona tsy tratra taorian’ny 1972. Kinga indray koa hatrany ny frantsay nampiakatra ny olona tamin’izany, ka nitohy ihany ilay krizy. Tamin’ny 2002 dia nitraotra indray ny vahoaka nanilika ny zioga nampitombo fahasahiranana sy fahantrana taminy. Dia tafakatra Ravalomanana, saingy hain'ny’fianakaviambe iraisampirenena ihany koa no namatotra azy tamin’ny « trosa manandevo», ka nitohy hatrany ny krizy nanjo ny vahoaka, ary notohizan’ny vahoaka tamin’ny 2009 iny ny tolona.

Izahay dia mandiso ny filazana hoe « niverina hatrany ny hetsi-bahoaka ». Tsy niverina ny hetsi-bahoaka, tompoko tamin’ny 1972-1991-2002-2009 fa ny tolona nataony tany amboalohany mba hikatsahany ny tena anjara-masoandrony eto, izay fototry ny fanilihany ny mpanjana-tany frantsay tamin’ny fotoanandro, no tsy mbola vita hatramin’ny farany noho ny antony maro, ary iray amin’izany ny fampiasan’ny mpanjanatany ny hakingany hametrahany ny olony eo amin’ny fitondrana raha vao mihetsika manilika ilay mpitondra nampahory azy ny vahoaka. Tsy tolona miverina izany fa tolona mitohy satria tsy mbola tonga amin’ny tanjona tena nimatimatesany ny vahoaka.

Ka ny resaka hoe « tsy hahazo famatsiam-bola avy amin’ny fianakaviambe iraisampirenena raha manolo mpitondra ivelan’ny fifidianana » dia fomba andemena ny sain’ny vahoaka malagasy. Ireo very fihinanana taorian’ny hetsi-bahoaka no miteny an’izany fa ny vahoaka ange na ohatrinona vola avy amin’ny mpamatsy vola tonga teto na ohatrinona, mba nahazo ohatrinona tamin’ireny moa izy ? Noho izany, fandemen-tsaina ary mbola fitetehana hanamafy ny vahohon’ny mpampanjana-bola iraisampirenena eto amintsika amin’ny fanotofana trosa manandevo antsika malagasy ny filazana an’io hoe « tsy hahazo famatsiam-bola avy any ivelany raha manova mpitondra ivelan’ny fifidianana io ».

Averinay hatrany fa manana harena tsy hita pesipesenina azo ianteherana amin’ny vola hoenti-miatrika ny fampandrosoana sy mampivelatra ny toekarem-pirenena, ahafahana manangana fotodrafitrasa araka izay ilaintsika, ahafahana koa manarina ao anatin’ny fotoana fohy ny fiianam-bahoaka izany vola avy amin’ny hatrenantsika izany, fa ny mpitondra antsika no variana mivarotra tanindrazana sy mandroba ny harem-pirenena eto amin’ny alalan’ny tsikombakomba amin’ny vahiny. Mila mandray fanapahan-kevitra entitra haingana isika vahoaka malagasy raha tsy te ho faty haingana eto, rey vahoaka an !

Ralay