Teny amin’ny Foibe ara-tsosialy « Arrupe » eny Faravohitra ny sabotsy teo no nanatanterahan’ny Fikambanana « FMI Ma » (Fahefa-Mividy Izao Malagasy), izay tarihin-dRatsietison Jean Jacques ny famelabelarana narahina ady hevitra. Ny lohahevitra niaingan’ny famelabelarana dia ny hoe « vahaolana mahomby mampihena ary hialana amin’ny fahantrana, mihatra avy hatrany isan-tokantranon’ny malagasy tsirairay manerana ny Nosy ».

Ny vontoatin’ny fanazavana aloha dia niompana tamin’ny hoe mamoaka didim-panjakana fotsiny ny fitondram-panjakana foibe manafoana ny Tsena fanakalozana vola vahiny (Marché interbancaire de devises = Mid) dia miova avy hatrany ny sandam-bola malagasy. Izany hoe tsy ampiharina intsony ny politikan’ny fitsingevahevan’ny sandam-bola malagasy na « flottement »  tamin’ny fitondrana Zafy Albert, ary ny didim-panjakana manafoana an’io Tsena fanakalozam-bola vahiny io ihany koa, hoy ny « Fmi Ma » no mamaritra ny sandam-bola tsy miovaova (système de taux d’échange fixe).

Isan’ny nitondran-dRatsietison fanazavana tamin’io sabotsy io, ho akon’io fanapahan-kevitra io, raha manana fahasahiana hikatsaka ny tena tombontsoam-bahoaka marina ny mpitondra fanjakana, ny ho fananan’ny vahoaka ny fahefa-mividy avy hatrany satria hidina miaraka amin’ny vava ny vidin’ny entana, ka ho afaka mividy izay farafahakeliny mety ho takian’ny filàny ny malagasy. Nohazavainy fa « raha 1 Dolara ny vidin’ny solika iray litatra eo amin’ny tsena iraisampirenena, dia vidiantsika 3.000 ariary izany izy io izao satria ny 1 dolara dia mira 3.000 ariary », hoy izy.

Fa rehefa ferana ny sandan’ny vola malagasy raha miohatra amin’ny dolara, hoy ihany izy, ka ferana ho 1.900 ariary, ohatra, dia io 1.900 ariary io izany no ividianantsika an’io solika iray litatra io. Efa miha-malefaka izany ny vesatra eo amin’ny mpanjifa, hoy izy. Dia tsy maintsy ho randran-tarihina amin’io ny vidin-javatra rehetra, hoy ihany ny fanampim-panazavany.

Nomarihiny koa mantsy fa tsy ny solika ihany no hiantefan’io famerana  ny sandan’ny vola malagasy io fa ny entana amin’ny ankapobeny satria na ireo entana tsy maintsy hafarantsika any ampita aza dia hisy akony eo amin’ny vidiny eto an-toerana ny famerana an’io sandan’ny vola malagasy io.

Etsy ankilany, hiteraka famoronana asa goavana izany, hoy ihany Ingahy Ratsietison, satria maro ny vidin’ny akora fototra hafarantsika avy any ivelany hidina ny vidiny ka hahafahana miroso amin’ny fampivelarana ny seha-pihariana.

Noraisiny ho ohatra tamin’izany ny tontolon’ny fampianarana. Amin’izao fotoana, hoy izy, dia manodidina ny 50 ka hatramin’ny 60 ny ankizy iray efi-trano fianarana. Tokony ho 30 ka hatramin’ny 40 io. Midika izany fa mila efi-trano fianarana vaovao isika, ka tsy maintsy miditra amin’izany. Izay dia efa asa an’aliny no ho voaforona, satria mila mpandatsa-biriky (maçon) sy ny manodidina ny fanaovana trano (mpandrafitra, mpikirakira ny lafiny herin’aratra…). Ny olona hampiasaina amin’izany indray aza no tsy ho ampy eto amintsika, hoy ihany izy.

Tsy asa zara raha hahafahana mamelona tena anefa, hoy ihany izy no hitranga amin’izay fotoana izay fa tena hahafahana miantoka ny famelomana ny ankohonana.

Noraisiny ho ohatra ny famerana ny sandam-bola malagasy tany amin’ny taona 80 tany, izay ariary folo malagasy (50 fmg) ny vidin’ny farantsa frantsay iray. Tamin’izany, hoy izy, dia tsy nampananosarotra loatra ny fiainana fa ny fitantanan’ny mpitondra fanjakana no tsy nety dia niteraka fahasahiranana teto.

Isan’ny nitondran-dRatsietison fanazavana koa tamin’izany rehetra izany fa « tsy miankina velively amin’ny harin-karenantsika io satria tamin’ireo fotoana rehetra nampitotonganana ny sandan’ny vola malagasy, na tamin’ny 1986 izay nahatonga ny sandan’ny vola malagasy ho 60 ariary ny farantsa Frantsay na ny taty amin’ny 1994 nampiharana ny « Flottement » na ny nampiharin-dRavalomanana tamin’ny 2004, dia  tao anatin’ny fotoana faran’ny fohy dia niakatra ny vidin’entana satria nitotongana ny sandan’ny vola malagasy. Tao anatin’io fotoana fohy io anefa, hoy izy, tsy nisy harin-karena nihetsika mihitsy.

Ny ady hevitra tena nangotraka tamin’io famelabelarana narahina ady hevitra tamin’ny sabotsy io, dia ny hoe , ahoana ny fomba hahatrarana an’izany ? Ny hevitra napetraky ny maro dia saika nitovitovy avokoa, izay raha akapoka dia hoe « mitaky fanovana ifotony ny raharaham-pirenena, ary miainga amin’ny fanovana ny rafitra ankapobeny mihitsy izany, ka isan’ny laharam-pahamehana ny fanovana ny mpitondra satria ny mpitondra amin’izao fotoana dia tsy hiroso mihitsy amin’io fanovana ifotony ny firenena io ».