Tranga tsy dia fahita teto amitsika no niseho tao Sambava, faritr’i Sava, ny sabotsy lasa teo. Nodarohan’ny mpijery mantsy ny mpanakanto iray izay “kopi kole” an’i Black Nadia tao anaty fampisehoana. Raha hiverenana ny tantara dia nisy ny fampisehoana nokarakaraina tao amin’ny tampon-tananan’i Sambava ny sabotsy lasa teo. Raha ny dokam-barotra nandeha tamin’ireo haino aman-jery tao an-toerana sy ny afisy napetaka eran’ny tanàna, dia ny tarika Black Nadia no voalaza fa hanao ny fampisehoana. Fahatairana anefa ny an’ireo mpijery maro tonga hijery izany ny sabotsy raha nahita fa tsy i Black Nadia no niakatra no niakatra an-tsehatra fa ny mpanakanto izay mangalatahaka azy na ny “kopi kole”. Avy hatrany dia naneho tsy fifaliana ireo mpijery izay nahatsiaro ho voafitaka. Tsy nijanona tamin’ny siotsioka sy tabataba ihany ny fahatezeran’ireo mpijery fa niafara tamin’ny fikasihan-tanana ilay mpanakanto. Voatery niditra an-tsehatra mihitsy moa ny mpitandron’ny filaminana niaro azy. Raha ny fantatra, dia naratra mihitsy ity “kopi kole” an’i Black Nadia ity noho izay daroka nahazo azy izay. Marihana fa efa nisy ny tranga tahaka ity niseho tao Sambava ity tany amin’ny faritra hafa, nofitahana ihany koa ny mpijery fa saingy tsy nisy kosa ny fikasihan-tanana avy amin’ireo mpijery. Azo raisina ho fislokiana moa ny tranga toy itony ka tokony hisy ihany ny fandraisana fepetra avy amin’ireo tompon’andraikitra voakasika.
F.Tsihiavonana