Rehefa nolanian’ireo solombavam-bahoaka miisa 18 teo anivon’ny antenimieram-pirenena ilay lalàna laharana 2016-029 momba ny serasera (Code de la communication) ny 14 jiolay lasa teo, dia ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana indray no haneho ny heviny mikasika izany, amin’ity herinandro. Araka ny lalàna, dia ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana no mijery na mifanaraka na tsia amin’ny lalam-panorenana ireo lalàna lany eo anivon’ny parlemanta. Maro ny olom-pirenena, indrindra fa ireo mpanao gazety sy ireo olon-tsotra mpampiasa ny fitaovan-tserasera, no miandry fatratra amin’ny mety ho hevitry ny HCC momba ity lalàna momba ny serasera ity.
Raha toa mantsy ka milaza ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana fa mifanaraka amin’ny lalam-panorenana izany lalàna izany, izay marihana ihany fa mamono tanteraka ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety sy ny fahafahana maneho hevitra, dia anjaran’ny filoham-pirenena sisa no manao sonia ny didy fampiarana azy. Raha toa kosa ka misy amin’ireo andininy sasan-tsasany no ambaran’ny HCC fa tsy mifanaraka amin’ny lalam-pnorenana, dia tsy maintsy miverina eny amin’ny antenimieram-pirenena sy ny antenimieran-doholona ilay lalàna ary ireo solombavam-bahoaka sy loholona no manitsy azy. Raha ny fahitan’ireo mpandinika sy mpamakafaka ny raharaham-pirenena, dia azo antoka fa mety ho eken’ny HCC, izany hoe ho ambarany fa mifanaraka amin’ny lalam-panorenana ity lalàna momba ny serasera ity. Ny antony dia mazava hoazy fa tsy manana ny fahaleovantena ity rafi-pitsarana fara-tampony eto amin’ny firenena ity fa manantanteraka ny baikon’ny olona nanendry azy. Raha ny zava-misy dia tsy hihemotra intsony ny governemanta amin’ny fampiarana ity lalàna ity satria na ny filoham-pirenena, izay nandefasan’ny mpanao gazety taratasy misokatra aza, dia hita ho tsy mila fifampidinihana intsony. Famitaham-bahoaka fotsiny ihany no nataony tatsy amin’ny nosy Maorisy raha nilaza fa vonona ny hifampiresaka. Raha ny momba ireo lalàna hafa izay lany teo anivon’ny antenimieram-pirenena nandritra ny fivoriana ara-potoana sy ny fivoriana tsy ara-potoana farany teo, dia efa namaoka ny heviny ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana ny zoma lasa teo. Isan’izany ohatra, ny lalàna izay mifehy ny PAC (pôles anti-corruption) sy ilay lalàna momba ny fanarahamaso ny resaka ara-bola (contrôle financier).
Ireto lalàna roa ireto izay samy mifanraka amin’ny lalam-panorenana avokoa raha ny didy navaokan’ny HCC. Raha ny mikasika ilay lalàna manangana ny filankevitry ny fiarovam-pirenena (conseil de defense nationale), dia tsy nankatoavin’ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana ny andininy faha 7 ao anatin’ity lalàna ity izay milaza fa ireo mpikambana rehetra mandrafitra izany andri-panjakana izany dia tokony ho miaramila avokoa. Tsy mifanaraka amin’ny lalam-panorenana izany hoy ny HCC ka tsy maintsy haverina dinihana sy hasiam-panitsiana eo anivon’ireo parlemanta roa misy eto amin’ny firenena.
F.Tsihiavonana