Toamasina II: Mitohy ny varotra tany amin’ny vahiny ataon’ny mpitondra

Tsy mba mitovy toe-tsaina amin’ny vahoaka any amin’ny firenena hafa ny Malagasy. Ny vahoaka Malagasy dia manome lanja aman-kasina ny tany sy ny razana. Fara-fahoriana amin’ny Malagasy izany tsy milevina am-pasan-drazana izany. Toraka izany koa ny hoe “very tanindrazana”. Maha-saro-piaro ny Malagasy ny tanindrazany fa tsy mba toy ny any an-kafa ka hoe “azony amidy amin’ny vahiny ny tany”. Izay toe-tsaina izay no tokony hajain’ny manam-pahefana mitana ny fanjakana eto fa tsy hikimpy eo anolaon’ny mena miraviravy sy ny fakam-panahy. Azo atao ny mampanofa tany fa ny mivarotra dia tsy eken’ny toe-tsaina Malagasy.

Tantara isan’ny nalaza momba an’i Madagasikara ny fisian’ny Satan’i Lambert (Charte Lambert), izay nirakitra ny fifanarahan-dRadama II tamin’ny vahiny mpanani-bohitra teto tamin’izany fotoana. Nifanarahan-dRadama II sy ny vahiny fa hozaraina roa i Madagasikara ka ny ilany avaratra ho an’ny vahiny ary ny tapany Atsimo no ho an’ny Malagasy.

Niarahantsika nahita ny tohiny fa “nanjaka tapany Radama II”.

Tamin’ny fitondrana Ravalomanana farany teo, isan’ny nampihombo ny hatezeran’ny vahoaka taminy, ankoatry ny fanamparam-pahefana nataony sy ny fandrobany ny seha-pihariana isan-karazany teto ho azy mbamin’ny fampahantrana haingana sady maharitra, ny fanagadrana olona faran’izay nalaky…, dia ny fifanarahana nifanaovany tamin’ny vondrom-barotra koreana tatsimo “Daewoo”. Ny vontoatin’io fifanarahana io dia ny hoe fivarotana tany mahatratra 1.300.000 Ha ho an’io “Daewoo” io.

Dia niarahantsika nahita teto ny tohiny fa tsy neken’ny vahoaka raha tsy nitsoaka nandositra tany Afrika Atsimo Ravalomanana.

Izao fitondrana Rajaonarimampianina izao no isan’ny nihazakazaka indrindra amin’ity fivarotana tanindrazana amin’ny vahiny ity. Niarahantsika nanaraka ihany ireny tetika hivarotra tany tamin-dry zareo Israeliana ireny, raha vao tonga ambolana vitsy teo amin’ny fitondrana ry zareo.

Hitantsika koa ny nanaovan’ny vahoakan’ny faritra Sofia an’ireo vahiny nomen’ny fitondrana foibe alalana (kolikoly) hitrandraka harena tany (Bealanana), ka voatery nangoron-damba nitsoaka nandositra satria saro-piaro amin’ny taniny ny malagasy.

Ireny hitantsika ireny koa ny fijoroan’ny vahoakan’i Soamahamanina. Ao amin’ny faritr’i Ranomafana Ifanadiana ao koa, ohatra, dia efa lasan’ny Amerikana ambongadiny ny tany, ka mody lazaina hoe “faritra arovana” nefa ny malagasy tompon-tany tsy afaka maka na tapa-kazo ao na toa fanondro aza.

Amin’izao fotoana dia misy olona irahin’ny tompon’andraiki-panjakana manatona ny ben’ny tanàna any amin’iny distrikan’i Toamasina faharoa  iny. Mangataka ny fankatoavan’ny ben’ny tanàna, ka hanome sonia amin’ny fivarotana ny tany mahatratra 3.000 ha. Eritrereto fa eo amin’ny 45 avo heny amin’io haben’ny 67 Ha eto Antananarivo io izany. Tsy taka-maso, hoy ny ntaolo ny haben’izany ange!

Ny manaitra amin’ity tranga any Toamasina II ity dia sahin’ilay tompon’andraikitra ambony ny mampitondra vola 50 tapitrisa iamg (10 tapitrisa ariary) hanakonana ny rariny amin’ity ben’ny tanàna ity. Kolikoly raha vantanina ny resaka. Soa fa nanda sy nitsipaka an’izany ity ben’ny tanàna any an-toerana, saingy ny loza dia lasa nidina nitety an’ireo lehiben’ny fokontany ilay iraky ny tompon’andraikitra ka vola 5 tapitrisa iamg na 1 tapitrisa ariary indray no naraviravy tamin’ny filoham-pokontany mba hanaiky ny fivarotana hanomezana vahiny ny tany.

Dia mbola hisy hilaza indray ve fa tsy varotra tanindrazana izany ? Fa inona ohatra no azo amaritana an’izany raha tsy varotra tanindrazana ? Varotra voanjo sa bononoka ?

Aza hadinoina fa maro amin’iny tany any Toamasina II iny no efa nifanarahan’ny tompon’andraikitra ambony sasany ka lasan’ny vahiny ambongadiny.

Izany ve rey vahoaka no zava-misy dia mbola misy mikimpy sy mahasahy milaza ihany hoe “avelao izy hiasa fa amin’ny 2018 no fotoana ?” Izany aloha dia tsy asan’ny mpitondra fanjakana nifidianan’ny vahoaka azy ka tsy azo ekena mihitsy e ! Izany no antsoina hoe fanamparam-pahefana amin’ny fandrobana tanim-bahoaka sy harem-pirenena. Mbola tsy namidin’ny Hvm amin’ny vahiny mpanani-bohitra mpandroba ny fasan-drazanao na ny trano onenanao na ny tany mba iriariavanao mianakavy dia izany no valin-teninao fa rehefa tratran’izany ianao io dia azoko antoka fa ianao no hitaona voalohany ny vahoaka hilahatra an-dalambe hanohitra izany fivarotan-tanindrazana mibaribary izany.

Ralay