Fifidianana filohampirenena: Vonona hirotsaka hofidiana ny Pm Mahafaly Olivier Solonandrasana

Manana mpifaninana roa hofidiana filohampirenena amin’ny taona 2018 izany izao ny fitondrana ankehitriny. Raha ny loharanom-baovao azo antoka omaly dia isan’ny efa manoman-tena ary andalam-pahavononana ary efa karazan’ny tapa-kevitra hirotsaka hofidiana ho amin’izany ny Praiminisitra Solonandrasana Olivier Mahafaly.

Misy mpikambana ao amin’ny governemanta sy ny loholona ary solombava amin’izao fotoana no re fa isan’ny efa naneho ny fanohanana azy, ary maro amin’ireo tompon’andraiki-panjakana any amin’ny faritra no “hanao tsy lazaina” hampandaniana azy amin’izany. Saika maro amin’ireny tompon’andraikitra any amin’ny faritra ireny tokoa mantsy, toy ny lehiben’ny distrika na Prefen’ny Faritra no olona nifanerasera sy notendren’Ingahy Praiminisitra Mahafaly tamin’ireny toerana ireny, amin’ny maha-minisitry ny atitany azy, izay tsy hafa koa aloha fa “administratera sivila” avokoa. Misy amin’ireo rafitra mpamatsy vola eo amin’ny sehatra iraisampirenena koa no nahenoana ako fa toa resy lahatra amin’Ingahy Mahafaly Olivier, ka mety hanome ambadika ny fanohanany azy. Etsy ankilany, ireo mpiara-dia tsy mitampo-drano amin’ny filoha amperin’asa, Hery Rajaonarimampianina koa dia efa mihetsiketsika hatry ny ela mba hanamafisana ny toeran’ity filoha ankehitriny ity amin’io fifidianana amin’ny taona 2018 io.

Fa ny tranga iray hafa koa dia ny fanaraha-maso akaiky ataon’i Mavoloha amin’i Mahazoarivo amin’io raharaha iray io.

Efa tsikaritr’i Mavoloha mantsy io fikasan’i Mahazoarivo io, ka isan’ny mety handraisan’i Mavoloha fanapahan-kevitra ato ho ato hisaorana sahady an’i Mahafaly Solonandrasana Olivier  tsy ho mpanofa trano eny Mahazoarivo intsony izany.

Re mantsy fa efa  mifampiresaka mangingina amin’ny olona mijoro ho mpanakiana sy mitaky ny fialany ny filohampirenena ankehitriny, ka mety hampiditra an’ireo mitaky ny fialany ho ao anatin’ny governemanta, ary mety hitady olona ho Praiminisitra amin’izy ireo mihitsy ny eny Mavoloha.