Inty sy Nday: Gisalahy mangala-ketsa
- Détails
- Catégorie : Gasy
- Publication : mercredi 10 août 2016 06:00
Niatrika ny Filankevi-pifampifehezana (Conseil de discipline) omaly ireo mpisafo raharaham-panjakana ambony (Inspecteurs généraux de l’Etat) izay nanadihady an’ilay raharaha fitantanana ny volam-panjakana tany amin’ilay tetik’asa tokony hananganana fotodrafitrasa tany amin’ny kaominin’Ambohimahamasina Ambalavao , Faritra Mahatsiatra Ambony.
Nahatratra 396 tapitrisa ariary ny sandan’ny tetik’asa tokony ho natao, nefa dia tsy nisy nirosoana, fa raha vantany vao nahazoana fankatoavana teo anivon’ny fitondrana foibe ny famoahana an’io vola io, dia efa tsy ela taorian’izay ny fifandraisan-tendron-dRtoa Razaimamonjy Claudine sy ny mpitondra ambony, mba hanome baiko an’ilay ben’ny tanàna misahana ny kaominina hanaovana ny asa, hamindra na handrotsaka an’io vola io amin’ny kaontim-bolan’olona hafa. Mpiara-mihinana amin-dry Claudine Razaimamonjy e !
Ny fanadihadiana nataon’ny mpisafo raharaham-panjakana ambony (Inspection générale de l’Etat) no nahitana fototra ny endri-panodinkodinana ny vola.
Tsiahivina fa taorian’ny fahitana an’izay raharaha maloto izay vao mody nihazakazahan’ny tompon’andraikitra ny nikarakara an’ireo fotodrafitrasa tany, izay saika efa nisy hatry ny ela fa nohavaozina, nolokoina, ka nidinan’ny manam-pahefana foibe avy aty Antananarivo, notokanana. Dia nafindra tany mihitsy moa ny fitaovana tao amin’ny Hopitaly manara-penitra tao Fianarantsoa mba hampisehoana fa hary fomba ilay toeram-pitsaboana nolokoina dia notokanana, fa avy eo naverina tany Fianarantsoa ny fitaovana.
Izany rehetra izany no zava-nisy.
Dia noenjehina ho namoaka ny tsiambaratelo vokatry ny fanadihadiana nampanaovina azy ireo mpisafo raharaham-panjakana ambony (inspecteurs généraux de l’Etat). Omaly izy ireo no “notsaraina” teo anoloan’ny filankevi-pifampifehezana momba ny mpiasampanjakana (conseil de discipline).
Na marina na tsia fa ireto mpisafo raharaham-panjakana ireto no namoaka ny vokatry ny fanadihadiana nampanaovina azy dia tsy rariny kosa raha izy ireo indray no hosaziana amin’ny alalan’izao fitsarana azy ireo izao fa ny fototry ny fanodinkodinam-bolam-panjakana sy ny tompon’antoka tamin’izany hangatsiatsiaka fotsiny eto.
Tsy rariny satria raha ny tokony ho izy dia ny fitsarana mihitsy no manetsi-tena avy hatrany mampanao famotorana momba ny fanodinkodinana sy izay tompon’andraikitra taminy ka ampiharana ny sazy voalazan’ny fehezan-dalàna momba ny ady heloka.
Izany no mbola ahitana taratra fa tsy ny fitondrana ankehitriny mihitsy no hihevi-tena na hanaiky ho tratry ny aloka eto. Tsy maintsy hanava-tena ho tsy maty manota ireo.
Izao raharahan’Ambohimahamasina Ambalavao izao ange no tonga amin’ilay fitenenana hoe “gisalahy mangala-ketsa ka izy maka ny an’ny hafa indray no avo vava” e !
Raha sanatriavin’ny vava ka voasazy noho izao raharaha momba ny fivoahan’ny vaovao vokatry ny asa nataony izao ireto mpisafo raharaham-panjakan ambony ireto, iza izao no afaka hiantoka fa mbola hitohy ny fanadihadiana sy famotoran’ny fitsarana mbamin’ny Bianco sy ny “Chaine penale anti-corruption” an’io raharaha io mba hizakan’ireo nitsikombakomba maloto tamin’ity raharaha ity ny andraikiny?
Aza hadinoina fa voatonona ho tompon’antoka tamin’io raharaham-bola voahodina tany Ambohimahamasina Ambalavao io Rtoa Razaimamonjy Claudine sy ny minisitry ny atitany Mahafaly Solonandrasana Olivier, izay sady Praiminisitra ankehitriny.
D.R.