Taolagnaro: Efa robaina ny harem-pirenena dia mbola fetsena koa ny vahoaka

Isan’ireo tetik’asa goavana fitrandrahana harena ankibon’ny tany eto ny any amin’ny Qmm any Taolagnaro. Voa roa tahaka ny dakam-boriky ary indroa mahita ny  maizina toy ny tain’omby natsentsina lava-bary ny vahoaka any an-toerana sy ny firenena malagasy iray manontolo. Ny harena efa omena ambongadiny ho an’ny Qmm, dia ny fasimainty ao izany, fa ny tanim-bahoaka koa robainy amin’ny hafetsena miharo haratsiam-panahy.

Volana vitsivitsy lasa izay no nitateranay teto fa robain’ny tetik’asa Qmm ny tanim-bahoaka any amin’iny faritr’i Taolagnaro iny, ary lazainy fa tafiditra ao anatin’ny faritra nifanarahany tamin’ny fanjakana foibe hitrandrahana fasimainty izany.

Noambaniany sy nohitsakitsahan’ny Qmm ampaladia ny zon’ny vahoaka tompon’ny tany sy nanamaintimolaly an’izany. Efa tsy resahina intsony ny fandrobana ny harena “fasimainty” amin’ny 1, 5% -n’ny sandan’ny voatrandraka no mba arotsany ao anatin’ny kitapom-bolam-panjakana. Tamin’io volana vitsivitsy lasa io dia nambara fa ariary zato (500 iamg) no sandan’ny tany iray metatra tsy mivadimandry (1m2) hakan’ny Qmm azy.

Nahoana kosa e ? Ody ambavafon’ny ankizy iray aza ange tsy azon’ariary zato intsony e! Tena fanambakana miendrika fandrobana izany, hoy isika teto.

Tamin’iny herinandro lasa teo iny dia nampanantsoin’ny vehivavy iray izay ben’ny tanàna amin’ny kaomina iray ao amin’ity faritra misy ny tetik’asa Qmm ity ireo tompon’ny tany. Dia nanaovana teny fandrahonana sy fampihorohoroana hoe “na tianareo na tsy tianareo dia tsy maintsy ho lasan’ny Qmm ny taninareo ka tombontsoa (???) ho anareo ny manaiky ny hivarotra amin-dry zareo ny taninareo, ka 800 ariary (valon-jato ariary) no andraisany ny iray metatra tsy mivadimandry.”

Izany Ben’ny tanàna izany aloha, ara-pamaritana dia olom-boafidim-bahoaka, nefa dia mampalahelo fa izy indray no lasa mamotika ny vahoaka nifidy azy. Mba rariny ve izany ?

Mampahatsiaro ny zava-misy any amin’ny Raharahan’i Soamahamanina koa ity satria ity raharaha any Itasy ity dia bisikileta iray no sandan’ny tanin’olona hitrandrahana volamena, na firy haben’ny tany na firy, ary ny olona sasany tsy afaka nanamporofo ny maha-tompony ny tany, na dia nanajary an’izany tany izany ampolon-taonany maro, nolovain-janaka aman-jafy aza, dia ranom-boakazo iray tavoahangy, no nomena azy ka nametsifetsena azy mba hanome ny soniany ho fankatoavana ny fanomezana an’ireo vahiny hitrandraka ny harena ao ny tany.

Dia io fa miseho koa ny any Taolagnaro.

Ity any Taolagnaro ity dia tokony tsy hadinoina fa tsy misy fanavahana hoe “tany lava volo sy tanety na tany misy fotodrafitrasa na fanamaintisamolaly an ! Mitovy daholo, nefa maro amin’ilay velaran-tany halain’ny Qmm ankeriny sy ao anatin’ny hafetsena ireo no misy hazo fihinam-boa naniry, ampolon-taonany maro, ary fototry ny fiharian’ny mponina tompony, toy ny “letchis”. Dia tsy misy vidiny koa izany ny sandan’ny fiharian’olona tamin’ireny fa potehina fotsiny.

Aiza ilay fitiavan-tanindrazan’ny mpitondra izay ireharehany isanandro amin’ny haino aman-jery e ? Sa te hirehareha amin’ny vahoaka fa “tsy ahoanay izay tombontsoanareo satria anay izao ny fahefam-panjakana ka ho afaka haninona eo ianareo?”

Aza manararaotra ny fahanginan’ny vahoaka re fa hanenenanareo ange io vahoaka io rehefa mitraotra e !

Ralay

Ankadikely Ilafy: Jiolahy 2 voasambotry ny zandary

Ny alakamisy 4 aogositra lasa teo no voasambotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena ao Ankadikely Ilafy ny lehilahy miisa 2 izay ahiahiana ho jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana. Andro vitsy tao alohan’io fisamborana io no nahazo vaovao ny zandary fa misy lehilahy iray mitazona basy ary manana fanamiana miaramila maromaro eny amin’iny faritra Ankadikely iny. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny zandary ka nisambotra ity lehilahy voalaza fa jiolahy ity. Tao anatin’ny fisavana ny trano fonenany no nahitàna ny basy poleta iray ary fanamiana miaramila maro. Rehefa natao ny famotorona azy dia nilaza ny lehilahy fa misy ny namany iray mpiray tsikombakomba aminy. Tsy niandry ela fa avy hatrany dia nisambotra ity voalaza fa mpiray tsikombakomba ity ihany koa ny zandary. Raha ny fanazavana nomen’ny Lieutnant Rajevo Clark Fidelis, lehiben’ny kaomandin’ny vondrom-paritry ny zandariamariam-pirenena eto Antananarivo Renivohitra, dia misandoka ho mpitandro ny filaminana ireto lehilahy roa ireto rehefa manao ny asa ratsiny. Mbola tsy fantatra kosa ny fanafihana mety efa nataon’ireto jiolahy ireto teo aloha fa mbola eo am-panaovana fanadihadiana tanteraka ny zandary amin’izao fotoana izao. Hatreto aloha dia mbola fitazonana basy ary fanamiana miaramila tsy nahazoana alalana no vesatra hanenjehana azy ireo. Marihana ihany fa manomboka izao dia ho entitra ny mpitandron’ny filaminana amin’ireo olona sivily izay manao fitafiana mitovy amin’ireny fanamiana miaramila ireny. Noraisina izany fepetra izany manoloana ny fisian’ireo misandoka ho mpitandro ny filaminana.

F.T.