ONG FAMI - Radio Bongolava: Mankalaza ny faha 20 taonany

Manodidina ny 5 hetsy Euro isan-taona eo ho eo ny teti-bidin’ny fanampiana rehetra ataon’ny ONG FAMI na ny fikambanana ho an’ny Ankizy Mivoatra, izay manana ny foibeny ao Tsiroanomandidy, Faritra Bongolava. Efa 20 taona izao no misehatra amin’ny fanaovana asa soa ho an’ny ankizy ny fikambanana FAMI. Manana onja-peo moa ny fikambanana, dia ny Radio Bongolava izay mankalaza ihany koa ny faha 20 taona nijoroany amin’ity taona ity.  Tsara ihany ny manarika fa ity Radio Bongolava ity no anisan’ireo onjapeo tsy miankina voalohany nisokatra teto Madagasikara ka mbola mijoro hatramin’izao. Ao Tsiroanomandidy no tena miasa ny fikambanana fa misy ihany koa ny sampana any Antsiranana, Mahajanga ary eto Antananarivo. Ny sehatry ny fanabeazana,  ny fahasalamana ary ny fanatajahantena no tena hiasan’ny FAMI ary ny tanjon’ny fikambanana dia ny fampivoarana ny ankizy, indrindra fa ireo sembana. Manana sekoly iray ankehitriny ny fikambanana ao Tsiroanomandidy izay manabe ankizy sembana 140. Ankoatran’ny fitaizana sy ny fanabeazana ankizy, dia manampy betsaka amin’ny fananganana fotodrafitrasa sy fanamboarana sekoly maro manerana ny Nosy ny FAMI, manampy ihany koa amin’ny fanamboarana ivon-toeram-pitsaboina sy hopitaly. Tao anatin’ny 20 taona, dia vola maherin’ny 10 tapitrisa Euro no efa nampiasain’ny fikambanana manerana ny faritra maro. Zava-dehibe amin’ny fampivoarana ny ankizy ny fanatajahantena ka tsy ataon’ny fikambanana ambanin-javatra. Ny ao amin’ilay ivon-toerana fitazaina ankizy ao Tsiroanomandidy fotsiny ohatra dia kianjana Basket miisa 6 no vita ary efa azon’ireo tanora sy ankizy ao an-toerana hilalaovana. Kianja izay manara-penitra tanteraka ary nandaniana hatrany amin’ny 40 tapitrisa Ariary. Tamin’ny alahady teo dia nisy ihany koa ny fametrahana ny vato fototra hananganana ny trano vaovao hisy ny foiben’ny Radio sy ny Tele Bongolova. Tanjon’ny ONG FAMI moa ny mbola hampitombo ny fanampiana sy ny asa sosialy ataony manerana ny Nosy mba hampivoarana ny ankizy.

F.Tsihiavonana

Farafangana: Tontosa ny voady farany

Sambany aloha ny teto Farafangana renivohitry ny Diosezy no nampiatrano voady farany an’i frera avy amin’ny fikambanana marista. Tsy miasa eto an-toerana io fikambanan’ny relijiozy io fa noho ny frera Ralaiarison Beloved Julien izay zanak’i Tangainony distrika katolika Ambalatany dia naniry izy ny hanatanterahana ny sorona masina ny voadin’ny farany eto Farafangana. Tanteraka ary izany lanonana izany ny alahady fahafito ny volana Aogositra lasa teo tao amin’ny sekoly kidy masimbavy Marie ao Fenoarivo Farafangana. Ny mompera Rabe Philbert ao amin’ny paroasy fo masin’i Jesoa no nitarika ny sorona masina ary notronon’i mompera amin’ny paroasin’Impitiny, sy ny ao Tangainony ary ny rektora ny seminera, tonga maro ireo mpino katolika ka ankaotra ireo eto an-toerana dia tonga marobe ny fianakaviamben’ny Marista avy any Antsirabe, Betroka sy Fianarantsoa notarihin’ny frera provinsialy, ny fianakavian’ny mpanao voady izay niisa roa an-jato mahery avy any Tangainony sy ireo sendra mandalo. Mampiavaka ny frera marista dia izy ireo miompana amin’ny fanabeazana nany fampianarana izany ka miompana amin’izany ankoatra ny momba ny vavaka ny fiofanana azon’izy ireo avy any ivelan’ny Nosy no andratoana izany fahalalana izany. Talohan’ny nanaovany voady farany dia nipetraka teo akaikin’ny ray aman-dreniny i frera Ralaiarison Beloved Julien fa tao aorian’ny voady farany kosa dia niakatra teny amin’ny otely izy nanatona ireo namany, midika izany fa tsy an’ny ray aman-dreniny intsony izy fa niroso tanteraka amin’ny fanokana-tena ho an’andriamanitra. Tombony