Hazan-dranomasina: Misy akora azo iarovana ny tontolo iainana

Firenena mpitrandraka sy mpanondrana hazan-dranomasina i  Madagasikara noho ny fananany fari-dranomasina midadasika. Miteraka olana ho an’ireo orinasa misahana izany anefa ny fitehirizana ireo akora tsy ilaina intsony satria manimba ny tontolo iainana.

Noho izany indrindra no nampitsiry ny hevitra teo amin’ny mpitantana ny orinasa MANDA S.A hiara-hiasa tamin’ny «  Centre National de Recherches sur l’Environnement » (CNRE) sy ny «Laboratoire d’Analyse et de Contrôle des Aliments et des Eaux». (LACAE) , ny taona 2013 mba hanodina ireo akora tsy ilaina ireo intsony ho lasa vokatra azo ampiasain’ny vahoaka Malagasy amin’ny fiainana andavanandrony no sady hiarovana ny tontolo iainana eto amintsika.

Marihina moa fa tao anatin’izay telo taona niaraha-niasa izay dia efa maro ny voka-pikarohana hita sy azo tsapain-tanana hampiharina eo anivon’ny fiaraha-monina Malagasy raha tsy hilaza afa-tsy ny fanatsarana ny foto-tsakafon’ny Malagasy isika, fanadiovana ireo rano maloto mba ho azo ampiasaina indray……..

Indreto misy voka-pikarohana vitsivitsy omena antsika mpamaky : ny « Chitosane » ohatra dia natao indrindra hanadiovana rano, ny « Collagène » hoentina hikarakarana ny endrika  amambika ary ny « proteiniques » dia natokana hanatsarana sy hanampiana ny foto-tsakafon’ny Malagasy …..

 Nomarihan’ireo mpikaroka eo anivon’ny « CNRE » fa ny ankamaroan’ny akora (déchets) avy amin’ny hazan-dranomasina dia ahitana otrikaina betsaka , Ka efa andalana ny fikarohana hamadihana azy ireo ho sakafom-biby sy zezika mba hoentina hanampiana sy  hampivoarana ny tantsaha Malagasy sy ny tontolo ambanivohitra amin’ny ankapobeny mihitsy .

Nambaran-dRtoa Razakanavalona Bakoly, Filoha tale jeneralin’ny « Manda s.a » nandritra ny hetsika «Fier Mada  farany teo, teny Mahamasina fa « raha tiana ny firenena dia tsy maintsy mametraka sy manao zavatra ho an’ny vahoaka Malagasy sy ny tanindrazana.  Manana adidy ihany koa ny tena hanome tosika ny toekarena Malagasy izay efa latsaka ankaterena ankehitriny. Izao fiaraha-miasa ataonay amin’ny « Cnre » izao dia anjara biriky hoentinay hampandrosoana an’i Madagasikara.»