Inty sy Nday: Mafy rehefa te hiazona ny seza
Nitsingerina omaly ny faha-25 taonan’ny Raharaha 10 aogositra 1991. Tsy nisy ny fanamarihana manokana ho fahatsiarovana azy fa samy nametsivetso sy namisavisa ny zava-nitranga tamin’izany tany amin’ny nisy azy tany avy ny tsirairay.
Tetsy andaniny, sahin’ny mpitondra Hvm sy ny mpikarama an’adiny amin’ireo gazety sasany ny nandatsa an’ireo mpiray tanindrazana namoy ny ainy sy nandatsaka ny rany, nitondra kilema sy namoy havana, very asa, potika fanana tamin’iny raharaha 10 aogositra 1991 iny.
Nambaran-dry zalahy fa « 25 taona nanaovana sorona ny aim-bahoaka », sy ny hoe « nitondra inona teto amin’ny firenena moa izy iny ? »
Mampalahelo ny toe-tsaina toa izany satria tsy mino izahay hoe tsy nahafantatra ny tarigetra sy ny hetahetam-bahoaka tamin’ireny fotoana ireny ny namana manoratra na manao angoan-tenda an’izany hevitra mamoehitra izany. Raha ny marina aza dia mety ho isan’ny nandray anjara tamin’ilay hetsi-bahoaka mihitsy ny sasany tamin’ireny namana ireny saingy rehefa jamban’ny vola ikaramana an’ady ny maso sy ny fisainana dia lasa mandatsa sy manome tsiny ny vahoaka nitady ny anjara-masoandrony.
Ny marina dia tsy te hampahafantatra ny vahoaka ry zalahy ireny hoe « rariny ny tolona nataon’ny vahoaka teto fa ny mpitondra fanjakana nandray ny fahefana taorian’ny hetsi-bahoaka no namily ny tolona ».
Izany koa mantsy no misy amin’izao fotoana. Tsy ny hetsi-bahoaka tamin’ny 2009 mihitsy no diso fa ny mpitondra nandray ilay fahefana taorian’ny hetsika, ary isan’izany ny mpitondra ankehitriny, no namily lalana ny raharaha ho any amin’ny fikatsahana manokana ny tombontsoan-dry zalahy.
Fomba ahoana moa no ndeha hitenenan’ny Hvm, noho izany, fa rariny ny hetsi-bahoaka teo aloha rehetra ? Izy ange ka nanohy sy nanamafy ny fampahantrana ny vahoaka hatramin’izay e ! Manjary manome basy itifiran’ny vahoaka azy izy raha manome rariny an’ireny hetsi-bahoaka ireny, ary raha azon’ny Hvm natao aza ny niteny hoe « hatramin’ny tolon’ny Menalamba sy Sadiavahy, ny nataon’ny Vvs sy ry Jean Ralaimongo, ny hetsika tamin’ny 19 may 1929 mbamin’ny raharaha 1947… izay nanoheran’ny malagasy ny fanjanahantany » no nofokaina, dia ho nataony. Fiarovan’ny mpiara-mitavana ao anatin’ny Hvm tombontsoa manokana sy seza no marina amin’ireny fanafokana ny tolom-bahoaka tamin’ny 10 aogositra 1991 ireny, na inona ambara na inona. Toe-tsaina tsy mendrika ny hanao politika ho amin’ny tena fanasoavana ny mpiray tanindrazana izany. Fiheverana mifono fitiavan-tena ranofotsiny.
Izahay aloha, na inona fahadisoan’ny mpitondra nandray an-tanana ny fahefam-panjakana taorian’ny tolom-bahoaka teto na inona, dia fady ho anay ny hilaza fa ilay tolom-bahoaka no fototr’izany.
Izahay manokana dia mahatsapa ny lanjan’ny tolona ho fitakiana ny fahaleovantenam-pirenena nandritra ny 64 taona teto, fa tsy izahay mihitsy no ndeha hanindraindra ny fahaleovantena nifampiraharahana tamin’i Frantsa tamin’ny taona 1960. Voaporofon’ny tolom-bahoaka tamin’ny 1971 sy 1972 ny hoe « fitondran’ny mpanjanaka tamin’ny endriny vaovao ny repoblika voalohany ». Tolona nahabe voninahitra ny vahoaka malagasy avokoa na ny tamin’ny 1971, 1972, 1991, 2002, 2009… saingy ny mpitondra rehetra taoarian’izy ireny no namoa-tsampona ka nahatonga ny fihomboan’ny fahantram-bahoaka teto fa tsy ilay tolom-bahoaka.
Ny Hvm ihany no mahita amin’izao fotoana, rehefa kaikerin’ny haromotan-tseza ry zareo fa « tsy nitondra na inona na inona ho an’ny firenena ny hetsi-bahoaka tamin’ny 1991, izay nisehoan’ny raharaha 10 aogositra ». Dia mihevitra ve ny Hvm fa raha tsy nisy ireo tolona nataon’ny vahoaka hatramin’izay dia ho tonga amin’izao toerana anararaotany ny fahefam-panjakana hangoronan-karena izao ry zareo ?
Ralay