AFP: Hitarika vahoaka hidina an-dalambe

Tsy azo ekena intsony ny mbola hitohizan’izao fitondrana Rajaonarimampianina izao ka mila atsahatra farany izay haingana. Manoloana izany indrindra dia miantso ny vahoaka Malagasy rehetra mba ho tonga maro eny amin’ny kianjan’ny 13 mey eny Analakely, amin’ny faha 19 aogositra izao ny vovonana AFP na ny Antso ho fanavotam-pirenena. Tao anatin’ny fanambarana miezinezina izay novakian’ny mpikambana teo anivon’ny kaongresin’ny tetezamita teo aloha, Faniry Razafimanantany,  teo anoloan’ireo mpanao politika sy mpanao gazety maro tetsy amin’ny Live Hotel Andavamamba no nanaovan’ny AFP izay antso avo amin’ny vahoaka izay. Tolona ho fanavotana ny firenena no ataon’ny AFP manomboka izao ka foto-kevitra miisa 4 no hitondran’izy ireo ny tolona. Voalohany, dia ny hanaporofona amin’ny filoham-pirenena amin’ny alalan’ny hetsi-bahoaka fa tena tafalatsaka ao anaty fahantrana lalina ny vahoaka Malagasy ankehitriny. Eo ihany koa ny fijoroana hiaro ny tanindrazana satria efa eto am-bohitra ny vahiny manao ampihimamba ny harena ary mangorona ny tanin’ny Malagasy. Hamongotra ny herin’ny maizina izay mangeja ny firenena ary handray andraikitra hanavotra ny firenena sy hamerina indray ny hasin’ny tany. Ny vahoaka no tompon’ny fahafena ka anjarany indray izao no maka ny fahefana eny ampelatanan’ny mpitondra. Fandrindrana ny hetsika sy ny tolona ho atao amin’izay fanavotana sy ny fanarenana ny firenena izay ihany ireo mpitarika eo anivon’ny AFP fa ny vahoaka no tena tompon’ny hetsika, hoy ihany ny mpandrindra ankapobeany ny AFP, Faniry Razafimanantany nandritra ny fanambarana. Tsy azo ekena intsony ny mbola hitohizan’izao fahantrana lalina izao sy ny fiakaran’ny vidim-piainana. Torak’izany koa ny famarotana tanindrazana ataon’ny mpitondra sy ny fandrobana ny harem-pirenena ataon’ny vahiny miray petsapetsa amin’ny fitondrana, ny fandanianiam-poana ny volam-bahoaka, fampiasana “malette” amin’ny andri-panjakana, ny fampielezana lainga sy fitaka atao amin’ny vahoaka ary ny fisian’ny tsy maty manota, dia tsy azo ekena intsony raha ny hevitry ny AFP. Marihana fa tato anatin’ny herinandro vitsy izay dia maro ireo vovonana na fikambanana no mijoro manohitra ny fomba fitantanan’ny mpitondra ankehitriny fa saingy ny AFP na ny Antso ho Fanavotam-pirenena irery ihany no sahy miantso ny vahoaka hidina an-dalambe ka hampitsahatra ny fitondran’i Hery Rajaonarimampianina. Raha ny fanazavana nomen’i Faniry Razafimanantany ihany dia tsy hangataka alalana amin’ireo tompon’andraikitra ara-panjakana voakasika amin’izany ny vovonana tarihany amin’io  fihetsiketsehana an-dalambe ho atao ny zoma 19 aogositra io fa avy hatrany dia eny amin’ny araben’ny fahaleovantena no fotoana amin’ny vahoaka. Fandaniana fotoana hoy izy ny mangataka alalana satria efa azo antoka fa tsy ahazo izany. Tsara ny mampatsiahy fa tamin’ny faha 22 jona lasa teo no nanao fanambarana ampahibemaso voalohany ny AFP ka tamin’io fotoana io dia fangatahana ny filoham-pirenena mba hamindra ny fahefana any amin’ny filohan’ny antenimieran-doholona no nataon’izy ireo. 30 andro no fe-potoana nomena ny filoha, satria efa dila ny fe-potoana, dia tsy maintsy miroso amin’ny dingana manaraka ny AFP. Efa natao ny ala-nenina rehetra  ary nanolorona  sosokevitra ny filoham-pirenena kanefa mbola manao bemarenina ihany. Tsy ny AFP ihany no nitaraina sy niantso ny mpitondra mba hiverina amin’ny fahamarinana, ny rariny sy ny hitsiny hoy ny mpandrindra ankapobeany, fa eo ihany koa ny olom-pirenena maro, ireo vovonana sy fikambanana maro toy ny fivondronamben’ny Eveka, ny Justice et Paix, ny SEFAFI, ny GEN, ny Afo Sendikaly, ny hetsika Mitsangana ry Malagasy, ny dinika ho fanavotam-pirenena sy ireo hafa tsy voatanisa. Ho an’ny Antso ho Fanavotam-pirenena moa dia tsy vahaolana intsony ny fangatahana fifampidinihana na fifampiresahana amin’ny mpitondra izay efa hita fa manao bemarenina tsy miraharaha ny fitarainam-bahoaka.

F.Tsihiavonana