Ampanihy Andrefana: Zana-tsokatra 310 indray no saron’ny polisy

Tsy misy fitsaharany ny trafikana harem-pirenena ao anatin’izao fitondrana HVM izao. Ny faran’ny herinandro teo, dia zana-tsokatra miisa 310 indray, izay saika ahondrana an-tsokosoko no tra-tehaky ny polisy tao Ampanihy, faritra Atsimo Andrefana. Tao anatin’ny fiara taxiborosy iray tany amin’ny lalam-pirenena faha 10, izay mampitohy an’i Tolagnaro sy Toliara no nahatratrarana ireto zana-tsokatra ireto ary tany Beloha Androy no nakana azy ireo. Raha ny fampitam-baovao nataon’ny mpitandro ny filaminana avy ao Ampanihy, dia nafatratra tao anaty valizy maromaro ireto biby sarobidy ireto. Olona 4 no voasambotra izay voasaringotra ao anatin’ity raharaha ity, ny iray dia ny tompon’ireo valizy nitondrana ireo sokatra ary ny mpamily ny fiara izay voalaza fa mpiray tsikombakomba tamin’ireo nikasa ny hanondrana an-tsokosoko. Raha ny fantatra araka ny fanadihadiana natao dia anisan’ny mampirongatra ny trafikana sokatra any amin’iny faritra Atsimon’ny Nosy iny amin’izao fotoana izao ny fisiana olona ambony iray miaro ireo mpanao trafika. Noho ny fiarovan’ity olona ambony ity dia tsy matahotra ny ho voasazy mihitsy ireo olon-dratsy. Tsy ela akory izay fa andro vitsy monja, dia nahatratrarana sokatra miisa 643 ny fiara tsy mataho-dalana iray tao Andranovory, distrikan’i Toliara II. Olona 4 no voasambotra tamin’ity raharaha ity kanefa dia misy olona ambony sy mpanam-bola miaro fatratra. Marihana fa raha ny tatitra nataon’ny sampan-draharahan’ny Rano sy Ala ho an’ny faritra Atsimo Andrefana, dia maherin’ny 1500 ny isan’ireo sokatra saika ahondrana an-tsokosoko tra-tehaka tao anatin’ny 2 volana monja.

F.Tsihiavonana