Maty soa aman-tsara ilay demokrasia

Dia iny navoakan’ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana (Hcc) omaly iny ny fankatoavany ny maha-araka ny lalampanorenana an’ilay fehezan-dalàna momba ny fifandraisana, niteraka ady hevitra teto tato anatin’ny herinandro maromaro. Ankoatry ny filazan’ny Hcc fa « mifanaraka amin’ny lalampanorenana » ilay izy dia nofaritany koa fa « manaja tsara ny fanambarana maneran-tany ny zon’olombelona » sy ny « Fifanarahana iraisampirenena momba ny zon’ny olom-pirenena sy ny zo politika » ary ny «  sata afrikana ho an’ny zon’olombelona sy ny vahoaka ». Dia sanatria ve izany inona no iheveran’ny Hcc sy ny namany ny sokajin’olona maro , na teo anivon’ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety na ny firaisamonim-pirenena, na ny eto an-toerana na ny eo amin’ny sehatra iraisampirenena… izay samy namoaka fanamarihana momba an’iny rijan-teny narafitra hamonoana ny demokrasia iny ?

Tsorina fa dia tena maty soa aman-tsara, araka ny tarigetran’ny fitondrana Hvm ny demokrasia sy ny fahalalahana maneho hevitra eto, ary ny fahalalahana manao gazety. Ny jadona izany izao no hiaraha-miaina eto, ka lehibe indrindra amin’izany ny fanakendana ny asa fanaovan-gazety amin’ny fomba maro satria nahazo alalana avy amin’io lalàna nankatoavin’ny Hcc io ny mpitondra fanjakana ho afaka manao izay tiany amin’ny gazety. Voahasina izany fa mifanaraka amin’ny lalampanorenana ny fahafatesan’ny demokrasia eto Madagasikara amin’izao fotoana.

Dia miandry izay ho fampiharan’ny fitondram-panjakana an’io fehezan-dalàna io izany izao satria dia naman’ny lalàna velona eto izy io.

Dia tsy ho vitan’ny vahoaka amin’izao fotoana ve ny misoroka ny fampiharana an’io lalàna mamoehitra io ? Ampahafirin’ny tolona nandrodanana ny Mandan’i Jeriko tamin’ny 1991 izay io ?

Ralay

Ajouter un Commentaire