Antoko Hvm: Mitohy ny fialan’ny mpikambana ao
Taorian’i Tata Ambroise nametra-pialana amin’ny maha-mpikatroka Hvm azy dia fantatra omaly koa fa niala tsy ho mpikambana Hvm i Henri Rakotomalala, izay fantatry ny maro amin’ny hoe «Riribe».
Isan’ny mpitarika ny « Zatovo » tany Toamasina i Riribe tamin’ny 2002, ary isan’ny tompon’antoka tamin’ny fametrahana sakana na « barazy » tao Brickaville izay nanakendana an’Antananarivo tamin’ireny hetsi-bahoaka tamin’ny 2002 ireny.
Efa nigadra noho ny fihetsika miharo politika ihany izy, ary amin’izao fotoana dia iray amin’ireo mafana fo ao anatin’ireo mitonona ho « gadra politika » mitaky onitra amin’ny fanjakana ny lehilahy.