Kianjan’ny Demokrasia etsy Ambohijatovo: Nomena ny mpivarotra fitaovam-pianarana

Nahataitra ny mpanara-baovao maro ny fahenoina ny fanapahan-kevitra noraisin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny fiadidiana ny tanàna an’Antananarivo amin’ny famindràna ireo mpivarotra fitaovam-pianarana amoron-dalana rehetra eny amin’ny kianjan’ny Demokrasia eny Ambohijatovo. Marihana ihany fa nanomboka omaly no niroso tamin’ny fanadiovana faobe ny kaominina Antananarivo renivohitra. Entitra dia entitra ny fanadiovana satria raha ny hita teny amin’ny faritra Analakely, Tsaralalàna ary Behoririka, dia maro dia maro tokoa ireo polisy monisipaly no manala sy manenjika ireo mpivarotra amoron-dalana. Manaraka azy ireo amin’izay fanadiovana izay ny mpitandron’ny filaminana avy amin’ny Emmo Sécurité. Ho an’ireo izay minia tsy manaraka ny fandaminana hapetraky ny kaominina, izany hoe ireo manao besaina, dia mety hiafara amin’ny fisamborana raha ny fanazavana nomen’ny lefitry ny ben’tanàna, Jean Gabriel Harrison. Tato anatin’ny andro vitsy tokoa izay dia hita mitombo isa isan’andro ary mameno ny sisin’ny arabe, indrindra fa amin’iny faritr’i Tsaralalàna iny, ireo mpivarotra fitaovam-pianarana. Saika feno azy ireo avokoa ny lalan’ny mpandeha an-tongotra (trottoir). Ireto mpivarotra kojakojam-pianarana ireto izay tafiditra ao anatin’ny fanadiovana ataon’ny kaominina ka izay no antony nandraisana fanapahan-kevitra amin’ny hamindrana azy ireo eny Ambohijatovo. Raha ny fanadihadiana natao, dia manaiky izany fandaminana hapetraky ny kaominina izany ireo mpivarotra voakasika. Ireto farany izay milaza fa toerana tsy natao hivarotana ny kianja etsy Ambohijatovo fa natao hilalaovan’ny ankizy. Maro tamin’ireo mpivarotra nanontaniana no nilaza fa tsy hiala amin’ny toerana misy azy amin’izao fotoana izao. Fa etsy ankilany, miverina indray ny fangalam-pery eo amin’ireo polisy monisipaly sy ireo mpivarotra amoron-dalana tahaka ny fahita rehefa miroso amin’ny fanadiovana tahaka izao ny kaominina. Vao mandalo ireo fiaran’ny polisy monisipaly sy ireo fiarabe mitondra ireo mpiasan’ny fivondronana, dia mitsaoka miafina daholo ireo mpivarotra ary miverina eo amin’ny toerany ihany rehefa dila ny mpanenjika. Raha ny fahitana azy dia ho sarotra ho an’ny kaominina Antananarivo renivohitra no hanaisotra tanteraka ireto mpivarotra amoron-dalana maro eto andrenivohitra ireto. Tokana ihany ny vahaolana hiadiana amin’izany  dia ny famoronana asa, kanefa raha ny fitondrana ankehitriny aloha dia tsy manana politika momba izay sehatry ny famoronana asa izay.

F.Tsihiavonana

Ajouter un Commentaire