Lalàna momba ny serasera: Nomen’ny Hcc rariny ny amboletran’ny Hvm
Nivoaka omaly ny fanapahana mitondra ny laharana faha-30-Hcc/D3 momba ilay lalàna laharana 2016-029 mamaritra ny fehezan-dalàna momba ny fifandraisana avy amin’ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana.
Misy takelaka 12 io fanapahana io izay amelabelaran’ity rafi-pitsarana ity ny fahitany an’io Fehezan-dalàna io.
Raha akapoka anefa dia resabe sy fanasana ati-doha ny olon-tsotra no vontoatin’ireo famelabelarana isan-tokony ireo fa ny fanomezan’ny Hcc rariny an’ilay amboletran’ny fitondrana Hvm, izay nohasinin’ny loholona sy solombava vitsy no misongadina ao.
Mody novoasan’ny Hcc amin’ny fomba feno fandrebirebena ihany ireo andininy maromaro nanaovan’ny maro fanamarihana ao anatin’ilay rijan-teny, fa niniany tsy nasiana resaka ny ati-fanahin’ilay rijan-teny (esprit du texte) izay novain’ny fitondrana Hvm tamin’ny alalan’ny minisitra Andrianjato Razafindambo Vonison. Tena tamin’ny fomba feno fitaka sy fanampempoana ny olon-tsotra no nanodinan’ny Hcc ny resaka ka nanomezany rariny an’ilay andetrezana sy amboletran’ny mpitondra jadona Hvm.
Ny azo antoka aloha, tsy hoe satria didy tsy azo ivalozana ny fanapahan’ny Hcc dia vita eo ny resaka rehetra momba azy io. Tsia. Ny vahoaka dia tsy hanaiky lalàna hanelingelina ny fiainany, ary io lalàna momba ny fifandraisana io dia hanelingelina ny fiainan’ny sokajin’olona maro.