Pastora Mailhol: Lasa fitaovana politikan’ny Hvm ?
Nanomboka tamin’ny sabotsy teo tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny Coliseum Atsonjombe ny fankalazana ny faha-20 taona nijoran’ny fiangonana “Apokalypsy” (FAM) teto Madagasikara sy ny faha-20 taona nitorian’ny Pasitera Mailhol Christian Dieu Donné, ny tenin’Andriamanitra. Lohahevitra niompanan’izao hetsika izao moa ny hoe : “FAM olon’ny finoana , velon’ny fanantenana , miaina ny fifankatiavana .”
Vory lanona teny an-toerana ny mpino Apokalypsy avy amin’ny lafivalon’ny Nosy sy ny avy any andafin’ny riaka ary ireo olo-manankaja nasaina nanotrona sy nanome voninahitra izao fotoan-dehibe izao . Hipoka sy nangorom-potsy tanteraka ny Coliseum de Madagascar ny sabotsy teo .
Fotoana nitondrana am-bavaka ny firenena sy ny vahoaka Malagasy , ny fiainan’ny fiangonana ary ny fampahafantarana ny tantaran’ny fiangonana Apokalypsy (FAM) no notanterahina teny tamin’io sabotsy teo io, ka nanakoako tsy nisy toy izany ny hira sy dihy fiderana an’Andriamanitra nahatrarana izao tsingerin-taona faha-20 izao .
Nambaran’ny Pasitera Mailhol , filoha mpanorina ny fiangonana Apokalypsy nandritra ny hetsika fa “mandritra ny herin-taona ny fotoam-pankalazana fa fanombohana fotsiny ihany ny androany . Mbola maro ny hetsika hoentina hanamarihana izao tsingerin-taona lehibe izao, ka anisan’izany ohatra ny fikasana hanangana fahitalavitra (Television) hitoriana ny tenin’Andriamanitra amin’ny vahoaka Malagasy tsy ankanavaka , ny fanaovana ilay fiangonana lehibe indrindra aty Afrika ho foiben’ny Apokalypsy ...”
Niantso ny mpino Kristianina mba hiray hina ihany koa ny Pasitera Mailhol , mba hanehoana ny voninahitr’Andriamanitra eto Madagasikara sy hamonjena ny firenena.
Momba ny fiainam-pirenena indray , nilaza ity mpitarika ny Apokalypsy ity fa tokony hihavana sy hifamela heloka ireo mpitondra nifandimby miaraka amin’ireo mpanao Politika rehetra satria potika ny firenena ary mahantra ny vahoaka Malagasy. Fotoana izao hibanjinana ny tombontsoa ambonin’ny firenena ao anatin’ny soatoavina maha-Malagasy “fihavanana”, hoy izy.
Tsikaritra aloha fa ny fitondrana ankehitriny tarihin’ny filohampirenena Rajaonarimampianina ihany no nandefa solontena teny amin’ity hetsi-pankalazana ny faha-20 taonan’ny Apokalypsy ity, ka i Henry Rabary Njaka no nisolotena an-dRajaonarimampianina teny. Ny mpanara-maso dia nahatsikaritra fa na ny mpitondra Hvm amin’izao fotoana na ny Pastora Mailhol dia samy mitetika hifampisoavaly, izany hoe mitady hanao fitaovana ny andaniny ny ankilany, ary ny ankilany koa miandrandra izany amin’ny andaniny.
Momba izay raharaham-pirenena izay ihany dia notsindrian’ny Pastora Mailhol fa “tsy hilatsaka hofidiana ho filohampirenena ny tenako saingy efa nampita hafatra tamiko Andriamanitra fa izy no mametraka ny tenako amin’ny toerana maha-filohampirenena”.
Marihina moa fa nialoha ity fanompoam-pivavahana lehibe teny amin’ny Coliseum ity ny zaikabe nataon’ireo mpino Apokalypsy (FAM) manerana ny Nosy, teny amin’ny Akademiam-Pirenena momba ny fanatanjahantena (Ans) eny Ampefiloha , nandinihina manokana ny fiainana sy ny asan’ny fiangonana ny 11-12-14 Aogositra 2016 teo , ary nofaranana tamin’ny hetsika ara-panatanjahantena izany, ka tonga namarana izany tamin’ny fomba ofisialy ny filoha mpanorina ny fiangonana Apokalypsy eto Madagasikara, ny Pasitera Mailhol.