Fanomanana ny Frankôfônia: Miahiahy ny tsy ho fahavitan’ny asa ny fitondrana Hvm
Nitsidika an’ireo tetik’asa nambara fa hoenti-mandray ny fihaonana na fivoriana an-tampon’ireo filohampanjakana miara-dia ao amin’ny vondron-tany miteny frantsay na ny “Frankôfônia” ingahy filohampirenena Rajaonarimampianina ny sabotsy teo. Ny seranam-piaramanidina eny Ivato izay nohalehibeazina sy ny fotodrafitrasa hafa eny Ivato eny no notsidihany.
Nivadi-dela indray Ingahy filoha tamin’io sabotsy io satria raha natao ho fitaovana anampempoana ny saim-bahoaka hatrany amboalohany amin’ireo tetik’asa irosoana ny hoe “handraisana ny fivorian’ny frankôfônia”, ary hiteraka asa sy hitondra fampandrosoana, dia nambarany indray tamin’ny sabotsy fa “tsy voatery ho vita alohan’ny fandraisantsika an’io fihaonana an-tampony io ange ireo tetik’asa ireo fa mijanona ho antsika hatrany ireo na ho vita alohan’io fivoriana io na tsia”.
Toa efa te hampiomana ny saim-bahoaka sahady Ingahy Rajaonarimampianina fa “raha tsy vita alohan’io fivoriana an-tampon’ny Frankôfônia io ireto fotodrafitrasa ireto dia tsy olana satria ho fotodrafitrasantsika Malagasy hatrany ireo”.
Ny dikan’izany dia efa te hialoha lalana avy hatrany koa Ingahy filohampirenena satria te hilaza izy hoe “na io fivorian’ny Frankôfônia io aza ange ka tsy hoe maty antoka isika raha tsy vita eto amintsika amin’io vanim-potoana voatondro io e !” Izany efa somary resy lahatra ny filoha fa tsy ho tontosa eto amintsika amin’io volana novambra io io fivoriana io.
Ny fantatra aloha dia efa manomboka milaza ny firenena frantsay fa “enta-mavesatra ho an-dry zareo ny fandraisan’ny firenena mahantra sy zanatany toa an’i Madagasikara ny fivorian’ny Frankôfônia.” Ny frantsay aza ange izany ka malailay fonosana hanampy an’i Madagasikara amin’ny ho fandraisany an’io fivorian’ny Frankôfônia io e !
Dia oviana koa no nisy vahoaka Malagasy nampiseho ny heviny teto fa tena mankasitraka sy mankahery ny fitondram-panjakana handray an’io fivoriana io eto ?